Hatao folo hakiho avy ny halavan’ny hazo fisaka iray, ary iray hakiho sy sasany ny sakany.
Eksodosy 26:17 - Baiboly Katolika Hisy lahiny roa avy, amin’ny hazo fisaka iray, ka hatao izay hifandraisany; ka hataonao toy izany avokoa ny hazo fisaka amin’ny Fonenana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Lahiny roa no ho amin’ny hazofisaka iray, misy hasiana izay hikambanany; toy izany no hanaovanao ny hazofisaka rehetra amin’ny tabernakely. DIEM PROTESTANTA Hasiana lahiny roa mirazotra isaky ny hazo fisaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hasiana lahiny roa mirazotra isaky ny hazo fisaka. Baiboly Protestanta Malagasy Lahiny roa no ho amin’ny zanakazo iray, ka hasiana izay hikambanany; izany no hanaovanao ny zanakazo rehetra amin’ny tabernakely. Malagasy Bible Lahiny roa no ho amin'ny zana-kazo iray, ka hasiana izay hikambanany; izany no hanaovanao ny zana-kazo rehetra amin'ny tabernakely. La Bible en Malgache Lahiny roa no ho amin’ny hazofisaka iray, misy hasiana izay hikambanany; toy izany no hanaovanao ny hazofisaka rehetra amin’ny tabernakely. |
Hatao folo hakiho avy ny halavan’ny hazo fisaka iray, ary iray hakiho sy sasany ny sakany.
Hanao ny hazo fisaka hatao amin’ny Fonenana ianao; hazo fisaka roapolo ho an’ny lafiny atsimo, ankavanana izany.
Hasianao faladia volafotsy efapolo ny fanambanin’ireo hazo fisaka roapolo ireo, dia faladia roa isan-kazo fisaka izany, no an’ny lafiny roa avy.
Lahiny roa mifampikambana no tamin’ny hazo fisaka tsirairay; ary natao toy izany avokoa ny hazo fisaka tamin’ny Fonenana.
ary faladia volafotsy efapolo no natao tao ambanin’ny hazo fisaka roapolo dia faladia roa tao ambanin’ny isan-kazo fisaka amin’ny lahiny roa.