Nataon’i Salômôna koa ny fanaka hafa rehetra izay tao an-tranon’i Iaveh: ny ôtely volamena, ny latabatra volamena fametrahana ny mofo alahatra,
Eksodosy 25:23 - Baiboly Katolika «Hanao latabatra hazo akasià ianao; ho roa hakiho ny lavany, iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny haavony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Manaova latabatra hazo akasia: Roa hakiho ny lavany, iray hakiho ny sakany ary iray hakiho sy sasany ny haavony. DIEM PROTESTANTA «Hisy koa latabatra hamboarina amin’ny hazo mimôzà, ka hirefy iray metatra ny lavany, 50 santimetatra ny sakany ary 75 santimetatra ny haavony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Hisy koa latabatra hamboarina amin’ny hazo mimôzà, ka hirefy iray metatra ny lavany, 50 santimetatra ny sakany ary 75 santimetatra ny haavony. Baiboly Protestanta Malagasy Ary manaova latabatra hazo akasia: roa hakiho ny lavany, ary iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony. Malagasy Bible Ary manaova latabatra hazo akasia: roa hakiho ny lavany, ary iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony. La Bible en Malgache Manaova latabatra hazo akasia: Roa hakiho* ny lavany, iray hakiho ny sakany ary iray hakiho sy sasany ny haavony. |
Nataon’i Salômôna koa ny fanaka hafa rehetra izay tao an-tranon’i Iaveh: ny ôtely volamena, ny latabatra volamena fametrahana ny mofo alahatra,
ny fanaovan-jiro volamena madio, dimy teo ankavanana, ary dimy teo ankavia, teo anoloan’ny orakla, mbamin’ny voniny; ny lela fanaovan-jiro sy ny hetin-jirony volamena,
ny lanjan’ny volamena hanaovana ny latabatry ny mofo alahatra, isan-databatra; ny volafotsy hanaovana ny latabatra volafotsy;
Ary nataon’i Salômôna ny fanaka rehetra ho an’ny tranon’Andriamanitra, dia ny ôtely volamena, ny latabatra fametrahana ny mofo alahatra.
Nanao latabatra folo izy, napetrany teo amin’ny tempoly: ny dimy teo amin’ny havanana, ny dimy teo amin’ny havia. Nanao kôpy volamena zato izy.
ny latabatra sy ny fanaka momba azy, ny fanaovan-jiro volamena madio sy ny fanaka rehetra momba azy, ny ôtely fandoroan-java-manitra,
telo hakiho ny haavony, roa hakiho ny halavany: nisy zorony izy, ary hazo ny rindriny manaraka ny halavany rehetra. Dia hoy izy tamiko: Io no latabatra eo anatrehan’i Iaveh.
Hapetrakao mifanongoa amin’ny antontany roa ireo, enina isan’antontany, eo ambonin’ny latabatra volamena madio, eo anatrehan’i Iaveh.
Ary ny anjara raharahany dia fiambenana ny fiara, ny latabatra, ny fanaovan-jiro, ny ôtely, ny fanaky ny fitoerana masina, izay fanaovana fanompoana, ny varavarana lamba mbamin’ny fanaovan-draharaha rehetra momba azy.
Hovelarany lamba mena antitra eo amboniny ireo, sy horakofany firakotra hodi-dogaona vao hapetany ny baon’ny latabatra.
Fa nisy tranolay natao, ka ny efitra voalohany, izay atao hoe fitoerana masina, dia nisy ny fanaovan-jiro maro rantsana, sy ny latabatra, ary ny mofo alahatra.