Samy nanampy azy ireo avokoa ny olona nifanakaiky taminy, tamin’ny fanaka volafotsy, volamena, fanaka hafa, biby fiompy ary zavatra sarobidy, mbamin’ny fanomezana an-tsitrapo rehetra.
Eksodosy 25:2 - Baiboly Katolika «Ilazao ny zanak’i Israely mba hanokan-javatra hafoy ho Ahy, ka horaisinareo amin’izay olona rehetra mahafoy an-tsitrapo malalaka ny zavatra omeny Ahy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mitenena amin’ny Zanak’Israely mba hitondra anjara fanomezana ho Ahy izy; avy amin’ny olona rehetra izay entanin’ny fony no handraisanareo izay anjara atolony ho Ahy. DIEM PROTESTANTA –Ilazao ny Israelita mba hanomana fanomezana ho Ahy, ka avy amin’ny olona rehetra manolotra an-tsitrapo no anangony azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Ilazao ny Israelita mba hanomana fanomezana ho Ahy, ka avy amin’ny olona rehetra manolotra an-tsitrapo no anangony azy. Baiboly Protestanta Malagasy Mitenena amin’ny Zanak’Isiraely mba hitondra fanatitra ho Ahy izy; dia avy amin’ny olona rehetra izay amporisihin’ny fony no handraisanareo ny fanatitra ho Ahy. Malagasy Bible Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely mba hitondra fanatitra ho Ahy izy; dia avy amin'ny olona rehetra izay amporisihin'ny fony no handraisanareo ny fanatitra ho Ahy. La Bible en Malgache Mitenena amin’ny Zanak’Israely mba hitondra anjara fanomezana ho Ahy izy; avy amin’ny olona rehetra izay entanin’ny fony no handraisanareo izay anjara atolony ho Ahy. |
Samy nanampy azy ireo avokoa ny olona nifanakaiky taminy, tamin’ny fanaka volafotsy, volamena, fanaka hafa, biby fiompy ary zavatra sarobidy, mbamin’ny fanomezana an-tsitrapo rehetra.
Nony vao tonga tao amin’ny tranon’i Iaveh, tany Jerosalema, dia maro tamin’ny loham-pianakaviana no nanome fanatitra an-tsitrapo ho an’ny tranon’Andriamanitra, mba hananganana azy eo amin’ilay nitoerany indray.
Manaraka izany, nateriny ny sorona dorana tsy tapaka, ny sorona dorana fanao amin’ny voalohan’ny volana sy amin’ny fety rehetra voatokana ho an’i Iaveh, ary ny avy amin’izay rehetra manatitra fanatitra an-tsitrapo ho an’i Iaveh.
mbamin’ny volamena amana volafotsy rehetra mety ho azonao eran’ny faritanin’i Babilôna ary koa ny fanomezana an-tsitrapo avy amin’ny vahoaka sy ny mpisorona, izay atolony an-tsitrapo ho an’ny tranon’Andriamaniny any Jerosalema.
Midodododo aminao ny vahoakanao amin’ny andro hamorianao ny tafikao, mitondra ny fanamiana masina: avy ao ampofoan’ny mazava atsinanana, dia mankao aminao ny ranonandon’ny mpiadinao tanora.
Fa ny fahafolon-karena hatokan’ny zanak’i Israely ho an’i Iaveh no omeko ho lovan’ny Levita; izany no ilazako aminy hoe: Tsy hanan-dova eo afovoan’ny zanak’i Israely izy.»
Samia manao araka izay efa nokasainy tao am-pony avy, tsy amin’alahelo na an-tery, fa mpanome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra.
Miantoraka amin’ny mpitondra an’i Israely ny foko sy amin’ny vahoaka anisan’ny nanolo-tena: Misaora an’i Iaveh!