Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Ezra 2:68 - Baiboly Katolika

68 Nony vao tonga tao amin’ny tranon’i Iaveh, tany Jerosalema, dia maro tamin’ny loham-pianakaviana no nanome fanatitra an-tsitrapo ho an’ny tranon’Andriamanitra, mba hananganana azy eo amin’ilay nitoerany indray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

68 Ny sasany tamin’ny lohan’ny fianakaviana, rehefa tonga tao amin’ny tranon’NY TOMPO tany Jerosalema, dia nanolotra fanatitra an-tsitrapo hananganana ny tranon’Andriamanitra eo amin’ilay efa niorenany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

68 Rehefa tonga tao an-tranon’ny TOMPO tany Jerosalema izy rehetra, dia nanao fanomezana an-tsitrapo ny loham-pianakaviana sasantsasany mba hananganana indray ny tranon’Andriamanitra eo amin’ilay toerany taloha.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

68 Rehefa tonga tao an-tranon’ny TOMPO tany Jerosalema izy rehetra, dia nanao fanomezana an-tsitrapo ny loham-pianakaviana sasantsasany mba hananganana indray ny tranon’Andriamanitra eo amin’ilay toerany taloha.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

68 Ary ny sasany tamin’ny lohan’ny fianakaviana, rehefa tonga tao an-tranon’i Jehovah tany Jerosalema, dia nanatitra tamin’ny sitrapo hananganana ny tranon’Andriamanitra eo amin’ilay efa niorenany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

68 Ary ny sasany tamin'ny lohan'ny fianakaviana, rehefa tonga tao an-tranon'i Jehovah tany Jerosalema, dia nanatitra tamin'ny sitrapo hananganana ny tranon'Andriamanitra eo amin'ilay efa niorenany.

Jereo ny toko dika mitovy




Ezra 2:68
20 Rohy Ifampitohizana  

Dia nasain’ilay Anjelin’i Iaveh nilazan’i Gada i Davida hiakatra hanangana ôtely ho an’i Iaveh, ao am-pamoloan’i Ornàna Jeboseanina.


Ary hoy i Davida: «Eto no ho tranon’i Iaveh Andriamanitra, eto no ho ôtely fanaovan’i Israely sorona dorana.»


Dia natombok’i Salômôna ny fanaovana ny tranon’i Iaveh tao Jerosalema, amin’ny tendrombohitra Moria, izay efa natoro an’i Davida rainy, dia amin’ny toerana efa voaoman’i Davida teo amin’ny famoloan’i Ornàna, Jebôseanina.


rameva 435, ary ampondra 6.720.


Ny nomeny hatao amin’ny rakitra momba izany asa izany, samy araka ny toe-pananany avy, dia darìka volamena 61.000, mina 5.000, ary akanjom-pisoronana zato.


Naoriny teo amin’ilay niorenany taloha ihany ny ôtely fa raiki-tahotra mafy teo anatrehan’ny vahoakan’ny tany izy ireo, ka nanatitra sorona dorana ho an’i Iaveh teo, dia ny sorona dorana marain-tsy hariva.


Fa andevo izahay, nefa tsy nahafoy anay tao anatin’ny fahandevozanay ny Andriamanitray. Nitarika ireo mpanjakan’i Persa hanisy soa anay Izy hamelombelona ny ainay, mba hanaovanay ny tranon’Andriamanitray sy hamboaranay ny rava eo, dia hanomezany anay fonenana voafefy amin’i Jodà sy i Jerosalema.


Midodododo aminao ny vahoakanao amin’ny andro hamorianao ny tafikao, mitondra ny fanamiana masina: avy ao ampofoan’ny mazava atsinanana, dia mankao aminao ny ranonandon’ny mpiadinao tanora.


«Ilazao ny zanak’i Israely mba hanokan-javatra hafoy ho Ahy, ka horaisinareo amin’izay olona rehetra mahafoy an-tsitrapo malalaka ny zavatra omeny Ahy.


dia tonga izay rehetra voatariky ny fo mazoto sy izay rehetra manana saina vonona tsara nanolotra fanatitra ho an’i Iaveh hanaovana ny trano lay fihaonana, mbamin’ny fanaka rehetra ao aminy sy ny fanamiana masina.


Ny zanak’i Israely rehetra na lahy na vavy izay voatariky ny fo mazoto mba hanana anjara amin’ny asa rehetra nandidian’i Iaveh tamin’ny vavan’i Môizy hatao, dia samy nitondra fanatitra an-tsitrapo ho an’i Iaveh.


Noraisin’izy ireo teo anoloan’i Môizy ny fanatitra rehetra naterin’ny zanak’i Israely hanaovana ny taozavatra momba ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina; ary isa-maraina tsy tapaka ny olona nitondra ny fanatitra an-tsitrapo teo amin’i Môizy.


Fa rehefa eo ny fahazotoana hanao, dia araka izay ananana ihany, fa tsy araka izay tsy ananana, no ankasitrahana izay atao.


Vavolombelona aho fa an-tsitrapo tokoa no nahafoizany araka izay zakany, eny mihoatra noho izay zakany aza,


Samia manao araka izay efa nokasainy tao am-pony avy, tsy amin’alahelo na an-tery, fa mpanome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra