Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 25:2 - DIEM PROTESTANTA

2 –Ilazao ny Israelita mba hanomana fanomezana ho Ahy, ka avy amin’ny olona rehetra manolotra an-tsitrapo no anangony azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Mitenena amin’ny Zanak’Israely mba hitondra anjara fanomezana ho Ahy izy; avy amin’ny olona rehetra izay entanin’ny fony no handraisanareo izay anjara atolony ho Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 –Ilazao ny Israelita mba hanomana fanomezana ho Ahy, ka avy amin’ny olona rehetra manolotra an-tsitrapo no anangony azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 «Ilazao ny zanak’i Israely mba hanokan-javatra hafoy ho Ahy, ka horaisinareo amin’izay olona rehetra mahafoy an-tsitrapo malalaka ny zavatra omeny Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Mitenena amin’ny Zanak’Isiraely mba hitondra fanatitra ho Ahy izy; dia avy amin’ny olona rehetra izay amporisihin’ny fony no handraisanareo ny fanatitra ho Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely mba hitondra fanatitra ho Ahy izy; dia avy amin'ny olona rehetra izay amporisihin'ny fony no handraisanareo ny fanatitra ho Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Mitenena amin’ny Zanak’Israely mba hitondra anjara fanomezana ho Ahy izy; avy amin’ny olona rehetra izay entanin’ny fony no handraisanareo izay anjara atolony ho Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 25:2
16 Rohy Ifampitohizana  

Ny olona rehetra nifanakaiky taminy dia nanampy azy tamin’ny fanaka volafotsy sy volamena, fananana hafa sy biby fiompy ary zavatra sarobidy mbamin’ny fanomezana an-tsitrapo ho an’ny tempoly.


Rehefa tonga tao an-tranon’ny TOMPO tany Jerosalema izy rehetra, dia nanao fanomezana an-tsitrapo ny loham-pianakaviana sasantsasany mba hananganana indray ny tranon’Andriamanitra eo amin’ilay toerany taloha.


Taorian’izany dia natolotry ry zareo ny sorona dorana manontolo tsy tapaka sy ny sorona dorana manontolo fanao amin’ny voaloham-bolana na amin’ny fankalazana rehetra voatokana ho an’ny TOMPO ary koa ny avy amin’izay rehetra manao fanatitra an-tsitrapo ho Azy TOMPO.


ary dia hoentinao koa ny fanomezana rehetra volafotsy sy volamena izay ho azonao eran’ny faritr’i Babilôna, miaraka amin’ny fanomezana an-tsitrapo aterin’ireo mpiray firenena aminao na mpisorona na sarambabem-bahoaka, mba ho an’ny tranon’Ilay Andriamaniny izay any Jerosalema.


Nisaoran’ny vahoaka manokana ny lehilahy rehetra izay nanolo-tena honina ao Jerosalema.


Miaramila voafantina no miaraka aminao amin’ny andro amorianao ny tafikao. Eny amin’ny tendrombohitra masina no hanatona Anao ireo zatovolahinao toy ny ando napoitran’ny mazavatsinanana.


Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy:


Ireto avy no fanatitra izay hangoninareo: volamena, volafotsy, halimo,


fa homeko ho anjarany kosa ny fahafolon-karena izay aterin’ny Israelita ho Ahy TOMPO; izany no nilazako taminy fa tsy handray faritany ho lova eo anivon’ny Israelita izy.


Aoka samy hanome araka izay nokasain’ny fony avy, tsy amin’alahelo na an-terivozona, satria ny mpanome an-kafaliana no tian’Andriamanitra.


Ny ahy ny fo dia miandany amin’ireo komandin’i Israely; ny foko dia miandany amin’ireo vahoaka nanolo-tena hiady; koa isaory ny TOMPO izany!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra