Eksodosy 24:13 - Baiboly Katolika Dia niainga i Môizy nomban’i Jôsoe mpanompony, nandroso nankeo an-tendrombohitr’Andriamanitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niainga i Mosesy sy i Josoa mpanompony ka i Mosesy dia niakatra nankao amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra. DIEM PROTESTANTA Dia niakatra teo an-tendrombohitr’Andriamanitra i Mosesy, niaraka tamin’i Josoa mpanompony, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia niakatra teo an-tendrombohitr’Andriamanitra i Mosesy, niaraka tamin’i Josoa mpanompony, Baiboly Protestanta Malagasy Dia niainga Mosesy sy Josoa mpanompony; ary Mosesy dia niakatra tao an-tendrombohitr’Andriamanitra. Malagasy Bible Dia niainga Mosesy sy Josoa mpanompony; ary Mosesy dia niakatra tao an-tendrombohitr'Andriamanitra. La Bible en Malgache Dia niainga i Mosesy sy i Josoa mpanompony ka i Mosesy dia niakatra nankao amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra. |
I Jetrô rafozan’i Môizy niaraka tamin’ny zanak’i Môizy sy ny vadiny, dia tonga nanatona azy tany an’efitra nitobiany, tany an-tendrombohitr’Andriamanitra;
Niakatra ho ao amin’Andriamanitra i Môizy, dia nantsoin’i Iaveh tao antampon-tendrombohitra izy, ka nilazany hoe: «Izao no holazainao amin’ny taranak’i Jakôba sy hambaranao amin’ny zanak’i Israely:
Ary i Môizy niandry ny biby fiompin’i Jetrao, rafozany, mpisorona tao Madiàna. Nentiny nankany ankoatry ny efitra ny biby, ka tonga tany amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra, tany Horeba, izy.
Nony nandre ny tabataban’ny vahoaka nihorakoraka i Jôsoe dia nilaza tamin’i Môizy hoe: «Finanananàna toy ny any an’ady izany any amin’ny toby izany.»
Ary i Iaveh miresaka mifanatrika amin’i Môizy, mova tsy ny olona miresaka amin’ny sakaizany. Raha efa izany dia miverina mankany an-toby i Môizy fa i Jôsoe zanak’i Nona, ilay tovolahy mpanompony, tsy niala tao afovoan’ny trano lay.
Ary i Iaveh nilaza tamin’i Aarôna hoe: «Mandehana mitsena an’i Môizy any an’efitra.» Dia niainga i Aarôna, ka nifanena tamin’i Môizy teo an-tendrombohitr’Andriamanitra ary nanoroka azy.
Niteny niaraka tamin’izay i Jôsoe, zanak’i Nona, mpanompon’i Môizy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe: «Ry Môizy tompoko ô, rarao izy roa lahy.»
Rehefa maty i Môizy, mpanompon’i Iaveh, dia niteny tamin’i Jôsoe zanak’i Nona, mpanompon’i Môizy, i Iaveh nanao hoe: