Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 32:17 - Baiboly Katolika

17 Nony nandre ny tabataban’ny vahoaka nihorakoraka i Jôsoe dia nilaza tamin’i Môizy hoe: «Finanananàna toy ny any an’ady izany any amin’ny toby izany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Ary rehefa ren’i Josoa ny fitabataban’ny olona izay nihorakoraka dia hoy izy tamin’i Mosesy: Misy tabataban’ady atsy an-toby.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

17 Ren’i Josoa ny feon’ny vahoaka nihorakoraka, ka hoy izy tamin’i Mosesy: –Horakoraky ny ady any an-toby izany!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Ren’i Josoa ny feon’ny vahoaka nihorakoraka, ka hoy izy tamin’i Mosesy: –Horakoraky ny ady any an-toby izany!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary rehefa ren’i Josoa ny fitabataban’ny olona izay nihorakoraka, dia hoy izy tamin’i Mosesy: Misy tabataban’ady atsy an-toby.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary rehefa ren'i Josoa ny fitabataban'ny olona izay nihorakoraka, dia hoy izy tamin'i Mosesy: Misy tabataban'ady atsy an-toby.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Ary rehefa ren’i Josoa ny fitabataban’ny olona izay nihorakoraka dia hoy izy tamin’i Mosesy: Misy tabataban’ady atsy an-toby.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 32:17
20 Rohy Ifampitohizana  

i Nona zanany, i Jôsoe zanany.


Vao mandre ny feon’ny bingona izy dia milaza hoe: ‹ndao!› mbola lavitra izy, dia efa manimbolo ny ady, ny feo mikotrokotroky ny lehibe, ny akora lavan’ny mpiady.


Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’ny taranak’i Kôre. Salamo.


«Mifantena lehilahy ianao dia handeha hiady amin’i Amaleka; izaho kosa rahampitso hijoro eo an-tampon’ny havoana, mitana ny tehin’Andriamanitra ao an-tanako.»


Dia niainga i Môizy nomban’i Jôsoe mpanompony, nandroso nankeo an-tendrombohitr’Andriamanitra.


Asan-tanan’Andriamanitra ireo takelaka ireo, ary ny soratra dia soratr’Andriamanitra voasikotra tamin’ny takelaka.


Fa hoy ny navalin’i Môizy: «Tsy mba feo fihobian’ny mpandresy na feo fibabababan’ny resy izany fa feon’olona mihira no reko.»


Nifoha vao maraina koa izy ireo nony ampitso, ka nanolotra sorona dorana sy nanatitra sorona fisaorana. Dia nipetraka hihinana sy hisotro ny vahoaka, ary nitsangana hilalao.


Efa nianiana tamin’ny Tenany i Iavehn’ny tafika, nanao hoe: Hofenoiko olona hoatra ny valala ianao! ary hanao hobim-pandresena eo aminao ireny. b


hampirehitra afo ao ambonin’ny mandan’i Rahaba Aho, ka handevona ny lapany izany, eo amin’ny akoran’ady toy ny amin’ny andro iadiana, sy eo amin’ny rivo-mahery mitambolimbolina amin’ny andron’ny tafio-drivotra.


dia handefa ny afo ho ao amin’i Moaba Aho, ka handevona ny lapan’i Kariota izany; ary i Moaba ho faty ao anatin’ny tabataba be, sy ny akoran’ady, mbamin’ny feon-trômpetra.


Izao no didy efa nomen’i Jôsoe ny vahoaka: «Aza manakora na miloa-peo, ary aza miloaka teny indraimbava akory ny vavanareo, mandra-pahatongan’ny andro hilazako aminareo hoe: Manakorà. Fa amin’izay vao hanakora ianareo.»


Nony tamin’ny fanimpitony raha nitsoka ny trômpetra ny mpisorona, dia hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka: «Manakorà, fa efa natolotr’i Iaveh anareo ny tanàna.»


Dia nanakora ny vahoaka, ary nitsoka trômpetra ny mpisorona. Nony nandre ny feon’ny trômpetra ny vahoaka dia nanakora mafy dia mafy, ary nirodana ny manda; koa samy niakatra ny tanàna tamin’ny hitsiny avy ny vahoaka.


Rehefa mitsoka ny trômpetra mafy faneno izy ka renareo ny feon’ny trômpetra, dia hanao akoralava ny vahoaka, ka hirodana ho azy ny mandan’ny tanàna, ary samy hiakatra amin’ny hitsiny avy ny vahoaka.»


Nony tonga tany Lekia izy, dia notsenain’ny Filistinina tamim-panakorana. Fa notsindrian’ny Fanahin’i Iaveh kosa i Samsôna tamin’izay, ka ny mahazaka tamin’ny sandriny tonga toy ny kofehy rongony main’ny afo, ary ny fatorana tamin’ny tanany nivotsotra;


Nifoha maraina koa i Davida, dia navelany tamin’ny mpiandry anankiray ny ondriny, noraisiny ireto vatsy ka nandeha araka ny nandidian’i Isaï azy izy. Tamin’ny nahatongavany tao amin’ny fitobiana indrindra dia nivoaka avy eo an-toby ndeha hilahatra hiady ny tafika, ka velona ny akoran’ady.


Nony hitan’ny Filistinina fa maty ilay olo-maheriny, dia vaky nandositra izy ireo. Ary nitsangana ny lehilahy amin’i Israely sy i Jodà sady nanakora ary nanenjika ny Filistinina hatrany amin’ny fidirana ao Geta, sy hatrany am-bavahadin’i Akarôna. Niampatrampatra teny an-dalana ny fatin’ny Filistinina hatrany Saraima ka hatrany Geta sy Akarôna.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra