Ampitomboin’ny olona ny sampy; ny andriamani-kafa no hihazakazahany harahina, fa izaho kosa tsy mba handraraka ny fanati-dra araraka ataony, na hanao ny anaran’ireny eo amin’ny molotro akory.
Eksodosy 23:13 - Baiboly Katolika «Tandremo avokoa ny zavatra rehetra nandidiako anao; aza manonona anaran’andriamani-kafa: aoka tsy hisy re aloaky ny vavanao akory izany.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tandremo izay rehetra nolazaiko taminareo ka aza manonona izay anaran’andriamanitra hafa akory ianareo; aza avela ho re avy amin’ny vavanao izany. DIEM PROTESTANTA «Tandremo tsara izay rehetra nandidiako anareo; ary aoka ny anaran’andriamani-kafa tsy hantsoina mihitsy, na ho re tononina akory eo aminareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Tandremo tsara izay rehetra nandidiako anareo; ary aoka ny anaran’andriamani-kafa tsy hantsoina mihitsy, na ho re tononina akory eo aminareo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary tandremo izay rehetra nolazaiko taminareo, ka aza manonona ny anaran’andriamani-kafa akory hianareo; aza avela ho re avy amin’ny vavanao izany. Malagasy Bible Ary tandremo izay rehetra nolazaiko taminareo, ka aza manonona ny anaran'andriamani-kafa akory ianareo; aza avela ho re avy amin'ny vavanao izany. La Bible en Malgache Tandremo izay rehetra nolazaiko taminareo ka aza manonona izay anaran’andriamanitra hafa akory ianareo; aza avela ho re avy amin’ny vavanao izany. |
Ampitomboin’ny olona ny sampy; ny andriamani-kafa no hihazakazahany harahina, fa izaho kosa tsy mba handraraka ny fanati-dra araraka ataony, na hanao ny anaran’ireny eo amin’ny molotro akory.
Aza mivavaka amin’ny andriamaniny na manompo azy: aza mianatra ny fombany, fa azerao sy montsàny ny tsangam-baton-tsampiny.
Izao no holazainareo amin’ireny: Ireo andriamanitra tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany, dia hofongorana eto an-tany sy atỳ ambanin’ny lanitra.
ary avy ao homeko azy ny tanimboalobony, mbamin’ny lohasaha Akora ho varavaram-panantenana; ka any izy hamaly toy ny tamin’ny andro fahatanorany, sy toy ny tamin’ny andro niakarany avy any amin’ny tany Ejipta.
Ary hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika: - Hofoanako amin’ny tany ny anaran-tsampy, ka tsy hotononina intsony izany; ary hoesoriko amin’ny tany koa ny mpaminany mbamin’ny fanahim-pahalotoana.
I Nebô ary i Baalmeôna izay samy novany anarana ary i Sabamà, ka samy nomeny ny anarana ny tanàna naoriny.
Aongàny ny ôtely, montsàny ny vato voatsangany, doroy amin’ny afo ny aserîmany; poteho ny sarin’andriamaniny voasokitra, ary foany eo amin’izany fitoerana izany hatramin’ny anarany aza.
Koa rehefa tsy nahita endrika akory ianareo, tamin’ny andro nitenenan’i Iaveh taminareo, tao anatin’ny afo tany Horeba, dia tandremo tsara ny fanahinareo,
Mitandrema tena ianareo, mba tsy hanadino ny fanekena nataon’i Iaveh Andriamanitrareo taminareo, sy tsy hanao sarin-javatra voasikotra ho anareo, dia ny sarin-javatra na inona na inona, nandraran’i Iaveh Andriamanitrareo anareo.
Kanefa mitandrema tena ianao, ary tandremo tsara ny fanahinao, fandrao manadino ny zavatra hitan’ny masonao, na mamela azy hiala amin’ny fonao, na dia indray andro amin’ny fiainanao aza, fa ampianaro ny zanakao aman-jafinao izany.
Izao no lalàna sy didy amam-pitsipika nasain’i Iaveh Andriamanitrareo ampianarina anareo, mba harahinareo any amin’ny tany halehanareo mba hakanareo azy ho fanananareo;
Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ary mahareta tsara amin’izany, fa raha manao izany ianao, dia hahavonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.
Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan’Andriamanitra; aza avela hisy faka mangidy maniry, sao manakorontana sy mandoto ny maro.
Kanefa tandremo tsara ny hanaraka ny fitsipika aman-dalàna nandidian’i Môizy mpanompon’i Iaveh anareo, ka tiava an’i Iaveh Andriamanitrareo, mandehana amin’ny lalany rehetra, mitandrema ny didiny, miraiketa fo aminy, ary manompoa Azy amin’ny fonareo rehetra sy amin’ny fanahinareo rehetra.»
aza miharo amin’ireo firenena izay mbola tavela eo aminareo, aza miantso ny anaran’izay andriamanitr’ireo na mianiana na miankohoka eo anoloan’ireny ianareo,