Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 21:13 - Baiboly Katolika

Nefa raha tsy nanao otrika taminy izy, fa tolotr’Andriamanitra no nahavoazan’ny tanany azy dia hoferako aminao izay toerana hahazoany ialofana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izay tsy ninia nahafaty, fa Andriamanitra no nanolotra azy eo an-tanany, dia hanondro toerana ho anareo Aho handosirany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Saingy raha tsy niomana hamono izy fa nahafaty tsy nahy, dia hahazo mandositra any amin’ny toerana izay hotondroiko ilay nahavita izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Saingy raha tsy niomana hamono izy fa nahafaty tsy nahy, dia hahazo mandositra any amin’ny toerana izay hotondroiko ilay nahavita izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

fa izay tsy manotrika, fa Andriamanitra no manolotra azy eo an-tànany, dia hanendry ho anareo fitoerana izay handosirany Aho.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

fa izay tsy manotrika, fa Andriamanitra no manolotra azy eo an-tànany, dia hanendry ho anareo fitoerana izay handosirany Aho.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izay tsy ninia nahafaty, fa Andriamanitra no nanolotra azy eo an-tanany, dia hanondro toerana ho anareo Aho handosirany.

Jereo ny toko



Eksodosy 21:13
13 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy ny navalin’ny mpanjaka: «Tsy manan-draharaha aminareo aho, ry zanak’i Sarvià! Aoka hanozona izy, satria fa raha i Iaveh no nanao taminy hoe: Ozony i Davida: zovy moa no hanao aminy hoe: Ahoana no anaovanao izany?»


Kanjo tsy izany no heviny, ary tsy izany no heverin’ny fony; fa ny handringana no hany kendreny, sy hamongotra firenena tsy an-kavitsiana.


Efa niala tsy hita eto an-tany intsony ny olona tia vavaka, ary tsy misy marina intsony amin’ny olombelona. Fa izy rehetra samy manotrika handatsa-dra; samy mihaza ny rahalahiny sy mamela-pandrika aminy avokoa


«Ary ny tanàna homenareo ny Levita, dia ny tanàna fialofana 6, izay halaminareo handosiran’izay nahafaty olona; ary fanampin’izany dia homenareo tanàna hafa 42 koa izy,


Aza mamindra ny orim-baton’ny namanao efa vitan’ny razany amin’ny lova ho azonao eny amin’ny tany izay omen’i Iaveh Andriamanitrao anao ho fanananao.


Niteny tamin’i Jôsoe i Iaveh nanao hoe: «Mitenena amin’ny zanak’i Israely, ka lazao hoe:


Ary hoy i Davida tamin’i Saola hoe: «Nahoana ianao no dia maka ny vavan’olona hoe: ‹Indro fa mitady hanisy ratsy anao i Davida?›


Hoy izy tamin’i Davida: «Marina noho izaho ianao, fa soa no nataonao tamiko, nefa ratsy kosa no navaliko anao.


Tonga tamin’ny valan’ondry izay tao amoron-dalana izy ary nisy zohy tao ka nidiran’i Saola hiavela; nefa i Davida sy ny olony, izany, nipetraka tao amin’ny faravody zohy.