Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 21:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Saingy raha tsy niomana hamono izy fa nahafaty tsy nahy, dia hahazo mandositra any amin’ny toerana izay hotondroiko ilay nahavita izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Izay tsy ninia nahafaty, fa Andriamanitra no nanolotra azy eo an-tanany, dia hanondro toerana ho anareo Aho handosirany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Saingy raha tsy niomana hamono izy fa nahafaty tsy nahy, dia hahazo mandositra any amin’ny toerana izay hotondroiko ilay nahavita izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Nefa raha tsy nanao otrika taminy izy, fa tolotr’Andriamanitra no nahavoazan’ny tanany azy dia hoferako aminao izay toerana hahazoany ialofana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 fa izay tsy manotrika, fa Andriamanitra no manolotra azy eo an-tànany, dia hanendry ho anareo fitoerana izay handosirany Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 fa izay tsy manotrika, fa Andriamanitra no manolotra azy eo an-tànany, dia hanendry ho anareo fitoerana izay handosirany Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Izay tsy ninia nahafaty, fa Andriamanitra no nanolotra azy eo an-tanany, dia hanondro toerana ho anareo Aho handosirany.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 21:13
13 Rohy Ifampitohizana  

Fa novalian’ny mpanjaka hoe: –Inona no iraharahanao izany, ry zanakalahin’i Tseroià? Matoa manozona ahy izy, dia satria ny TOMPO no nibaiko azy hanozona ahy; koa iza no sahy hanome tsiny azy amin’izany?


Kanjo tsy araka izany no heverin’i Asiria; zavatra hafa no kasain’ny fony, ny handringana no tao an’eritreriny ary ny hamongotra firenena maro indrindra.


Fa foana teo amin’ny tany ny olona tena mpivavaka; ary tsy misy olo-marina intsony eo amin’ny olombelona. Samy manotrika handatsa-dra avokoa izy rehetra; ary samy mihaza mpiray tampo amin’ny fandrika harato ny tsirairay.


Ny tanàna homenareo ny Levita dia ny tanàna enina fialokalofana, izay hataonareo fandosiran’izay nahafaty olona, ary tanàna hafa 42 ihany koa.


Ao amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo, dia aza mamindra ny orim-bato mamaritra ny tanin’ny namanareo, orim-bato izay efa vitan’ny razana tamin’ny zaratany azonareo.


Ary ny TOMPO dia nandidy an’i Josoa,


Ary hoy i Davida tamin’i Saoly: –Nahoana ianao, ry mpanjaka, no dia mihaino izay vavan’olona milaza fa mitady hanisy ratsy anao aho?


Dia hoy indray izy tamin’i Davida: –Marina ny anao, anaka, fa izaho no tena diso, satria ianao nanao soa tamiko fa izaho kosa nanao izay ratsy taminao.


Raha tonga teo amin’ny valan’ondry nanamorona ny lalana i Saoly, dia sendra zohy, ka dia niditra tao mba hivoaka kely. Nefa i Davida sy ny olony dia efa tao anaty zohy tao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra