Amin’ny andro enina no hakanareo izany, fa amin’ny andro fahafito izay sabata dia tsy hisy».
Eksodosy 20:9 - Baiboly Katolika Ny andro enina no hiasanao sy hanaovanao ny taozavatrao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. DIEM PROTESTANTA Enina andro no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Enina andro no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. Malagasy Bible Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. La Bible en Malgache Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. |
Amin’ny andro enina no hakanareo izany, fa amin’ny andro fahafito izay sabata dia tsy hisy».
«Mandritra ny henemana no hanaovanao ny asanao, fa amin’ny andro fahafito mitsahara, mba hiala sasatra ny omby aman’ampondranao, sy haka aina ny zanaky ny ankizivavinao sy ny vahiny.
Ny andro enina no hiasana fa ny andro fahafito ho andro fitsaharana amin’ny asa rehetra, dia voatokana ho an’i Iaveh. Koa na zovy na zovy no hanao asa amin’ny andro sabata dia hoheloin-ko faty.
«Ny andro enina no hiasanao; fa ny andro fahafito kosa hitsaharanao, na dia amin’ny taom-piasana tany amam-pamoriam-bokatra aza.»
Ny andro enina no hiasanareo fa ny andro fahafito dia ho andro voatokana eo aminareo, andro fitsaharana amin’ny asa rehetra hankalazana an’i Iaveh. Izay manao taozavatra amin’io andro io dia hohelohin-ko faty.
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Hikatona ny alo-baravarana amin’ny kianja anatiny mitodika miantsinanana, amin’ny andro enina azo iasana; fa hivoha kosa izy amin’ny andro sabata; hivoha koa izy amin’ny andro voalohan’ny volana.
«Andro enina no hiasana, fa ny andro fahafito dia sabata, fitsaharana amin’ny asa rehetra, hasiana fivoriana masina. Tsy hanao asa na inona na inona ianareo, fa fitsaharana voatokana ho an’i Iaveh io, any amin’izay tany rehetra honenanareo.»
Fa sosotra ny lehiben’ny sinagoga noho i Jesoa nanasitrana tamin’ny andro sabata, ka niloa-bava tamin’ny vahoaka nanao hoe: «Henemana no andro azo iasana ka tongava hositranina amin’ireo ianareo, fa aza amin’ny andro sabata.»