Fa iza any an-danitra no hitaha amin’i Iaveh? Iza amin’ireo zanak’Andriamanitra no manahaka an’i Iaveh?
Eksodosy 20:26 - Baiboly Katolika Aza asiana ambaratonga hiakarana ny ôteliko, mba tsy hiseho eo ny fitanjahanao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary aza asiana ambaratonga hiakaranao ho eo amin’ny alitarako mba tsy ho hita eo ny fitanjahanao. DIEM PROTESTANTA Aza asiana tohatohatra hiakaranareo ho eo amin’ny alitarako mba tsy hiseho ny fitanjahanareo.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Aza asiana tohatohatra hiakaranareo ho eo amin’ny alitarako mba tsy hiseho ny fitanjahanareo.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary aza asiana ambaratonga hiakaranao ho eo amin’ny alitarako, mba tsy ho hita eo ny fitanjahanao. Malagasy Bible Ary aza asiana ambaratonga hiakaranao ho eo amin'ny alitarako, mba tsy ho hita eo ny fitanjahanao. La Bible en Malgache Ary aza asiana ambaratonga hiakaranao ho eo amin’ny alitarako mba tsy ho hita eo ny fitanjahanao. |
Fa iza any an-danitra no hitaha amin’i Iaveh? Iza amin’ireo zanak’Andriamanitra no manahaka an’i Iaveh?
Manaova kalisaona rongony fotsy ho azy ireo, hanarona ny fitanjahany; ataovy hatreo amin’ny valahany ka hatreo amin’ny feny.
Ireo no hoentin’i Aarôna sy ny zanany, na hiditra eo amin’ny trano lay fihaonana izy ireo, na hankeo amin’ny ôtely hanao ny Fanompoam-pivavahana eo amin’ny Fitoerana Masina. Ary amin’izany dia tsy ho voan-keloka izy ka tsy ho faty. Lalàna mandrakizay izany, ho an’i Aarôna sy ny taranany mandimby azy.»
Aza haingam-bava foana, ary aoka ny fonao tsy ho maimay foana hanonona teny eo anatrehan’Andriamanitra: fa Andriamanitra any an-danitra, Ianao etỳ an-tany; ka aoka ho vitsy teny ianao.
Ary 14 hakiho ny koronosy amin’ny lafiny efatra, 14 hakiho ny halavany, ary 14 hakiho ny sakany; antsasaky ny hakiho, ny molony manodidina; misy lakan-drano iray hakiho manodidina azy; mitodika miantsinanana ny ambaratongany.
Dia hoy i Môizy tamin’i Aarôna: «Efa voalazan’i Iaveh izany tamin’izy nanao hoe: Hohamasinina Aho ao amin’izay manakaiky Ahy, ary homem-boninahitra eo anatrehan’ny vahoaka rehetra.» Sina i Aarôna.