Raha natao ny trano, dia vato voavoatra hatrany amin’ny tany fihadiam-bato no nanaovana azy, ka tsy nisy feon-tantanana na famaky na fandraka na fiasana vy, na inona na inona, re tao an-trano tamin’ny nandrafetana azy.
Eksodosy 20:25 - Baiboly Katolika Raha manorina ôtely vato ho Ahy ianao, aza vato voapaika no arafitra, fa raha manainga ny fandrakao amin’ny vato ianao dia hahatonga azy ho tsy azo atao amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary raha alitara vato no hataonao ho Ahy dia aza atao amin’ny vato voapaika; satria raha manainga ny fandrakao eo aminy ianao dia handoto azy. DIEM PROTESTANTA Fa raha hanao alitara vato ho Ahy ianareo, dia aza atao amin’ny vato voapaika; satria raha mipaika azy amin’ny fandraka ianareo, dia handoto azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa raha hanao alitara vato ho Ahy ianareo, dia aza atao amin’ny vato voapaika; satria raha mipaika azy amin’ny fandraka ianareo, dia handoto azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha alitara vato no hataonao ho Ahy, dia aza ny vato voapaika no hanaovanao azy; fa raha manainga ny fandrakao ho aminy hianao, dia handoto azy. Malagasy Bible Ary raha alitara vato no hataonao ho Ahy, dia aza ny vato voapaika no hanaovanao azy; fa raha manainga ny fandrakao ho aminy ianao, dia handoto azy. La Bible en Malgache Ary raha alitara vato no hataonao ho Ahy dia aza atao amin’ny vato voapaika; satria raha manainga ny fandrakao eo aminy ianao dia handoto azy. |
Raha natao ny trano, dia vato voavoatra hatrany amin’ny tany fihadiam-bato no nanaovana azy, ka tsy nisy feon-tantanana na famaky na fandraka na fiasana vy, na inona na inona, re tao an-trano tamin’ny nandrafetana azy.
Manorena ôtely tany ho ahy, ka eo amboniny no hanoloranao ny sorona doranao, ny sorom-pihavananao, ny ondrinao sy ny ombinao. Hanatona anao sy hitahy anao Aho amin’ny toerana rehetra hanaovako izay hahatsiarovana ny Anarako.
Nosoratan’i Môizy avokoa ny tenin’i Iaveh. Dia nifoha maraina koa izy, nanorina ôtely teo ampototry ny tendrombohitra sy nanangana tsangam-bato roa ambin’ny folo ho an’ny fokon’i Israely roa ambin’ny folo.
Nisy koa latabatra efatra, ho an’ny sorona dorana, natao tamin’ny vato voapaika, iray hakiho sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany, iray hakiho ny haavony, fametrahana ny fiasana hamonoana ny sorona dorana sy ny sorona hafa.
araka ny didy nomen’i Môizy mpanompon’i Iaveh ny zanak’i Israely, araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalànan’i Môizy, dia ôtely vato tsy voavoatra, izay tsy voavely vy. Ary nanolotra sorona dorana teo amboniny ho an’i Iaveh izy ireo sy nanao sorom-pihavanana koa.