dia hangalako mofo kely ianareo hataonareo tohan’aina, vao manohy ny dianareo ianareo, fa izany no nandalovanareo amin’ny mpanomponareo.» Dia hoy ny navalin’ireo: «Ataovy àry, araka izay voalazanao.»
Eksodosy 2:20 - Baiboly Katolika Dia hoy izy tamin’ireo zanany vavy: «Aiza izy izany? Nahoana no avelanareo any izany lehilahy izany? Antsoy izy hihinan-kanina.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy izy tamin’ireo zanany vavy: Koa aiza izy izany? Nahoana no nilaozanareo any izao lehilahy izao? Antsoy izy mba hihinan-kanina. DIEM PROTESTANTA Ary hoy i Rehoela tamin’ny zanany vavy: –Aiza anefa izany lehilahy izany? Nahoana izy no nilaozanareo any? Ndeha alao izy mba hiara-misakafo amintsika. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy i Rehoela tamin’ny zanany vavy: –Aiza anefa izany lehilahy izany? Nahoana izy no nilaozanareo any? Ndeha alao izy mba hiara-misakafo amintsika. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy izy tamin’ny zanani-vavy: Ka aiza izy? nahoana no nilaozanareo izany lehilahy izany? alao izy mba hihinan-kanina. Malagasy Bible Ary hoy izy tamin'ny zananivavy: Ka aiza izy? Nahoana no nilaozanareo izany lehilahy izany? Alao izy mba hihinan-kanina. La Bible en Malgache Ary hoy izy tamin’ireo zanany vavy: Koa aiza izy izany? Nahoana no nilaozanareo any izao lehilahy izao? Antsoy izy mba hihinan-kanina. |
dia hangalako mofo kely ianareo hataonareo tohan’aina, vao manohy ny dianareo ianareo, fa izany no nandalovanareo amin’ny mpanomponareo.» Dia hoy ny navalin’ireo: «Ataovy àry, araka izay voalazanao.»
Vao nandre ny filazàny an’i Jakôba zanak’anabaviny i Labàna dia nihazakazaka nitsena azy, ka namihina azy, nanoroka azy, nitondra azy ho any an-tranony. Dia notantarain’i Jakôba tamin’i Labàna izany zavatra rehetra izany,
Dia nianiana tamin’Ilay atahoran’i Isaaka i Jakôba. Nanatitra sorona teo an-tendrombohitra i Jakôba, ka nanasa ny rahalahiny hihinan-kanina. Dia nihinana izy ireo, sy nipetraka teo an-tendrombohitra nandritra ny alina.
Dia nandamindamina ny zavatra hatolotra aloha izy ireo mandra-piavin’i Josefa, raha mby amin’ny mitatao vovonana, fa efa nilazana izy fa hoe hihinana ao aminy.
Raha nandry tany alatrano ny mpivahiny, fa tsy mba novohako varavarana akory ny mpandeha!...
Dia tonga avokoa ireo rahalahiny sy anabaviny mbamin’ny sakaizany taloha namangy azy sy niara-nihinana taminy tao an-tranony. Nangoraka azy sy nampionona azy izy ireo, noho ny fahoriana nahatran’i Iaveh taminy teo; ary samy nanome azy kesità iray sy masom-bolamena iray avy izy rehetra.
Ka hoy ny navaliny: «Nisy Ejiptianina anankiray niaro anay tamin’ny tanan’ny mpiandry ondry, sy nanovo rano ho anay aza sady nampisotro ny biby fiompy.»
Ary nanaiky hitoetra tao amin-dralehilahy i Môizy ka nomen’io ho vadiny i Sefôrà zanany vavy.
tsara laza amin’ny asa soa: namelon-janaka, nampiantrano vahiny, nanasa tongotry ny olomasina, niantra ny ory, nazoto tamin’ny asa soa rehetra.
Ary aza manadino ny fandraisam-bahiny, fa ny sasany nanaraka izany dia efa nisy nampiantrano Anjely, nefa tsy nahalala azy.