dia hoy i Absalôma taminy: «Etsy ange! tsara sy marina ny raharahanao, fa ny olona hihaino anao avy amin’ny mpanjaka no tsy misy.»
Eksodosy 18:16 - Baiboly Katolika Raha manana ady izy ireo, dia mankatỳ amiko, ka mitsara azy aho sy mampahalala ny didy aman-dalàn’Andriamanitra.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha misy manana ady izy ireo dia mankaty amiko ka mitsara azy roa tonta aho ary mampahalala azy ny didin’Andriamanitra sy ny lalànany. DIEM PROTESTANTA Rehefa misy raharaha mampifanolana azy, dia tonga atỳ amiko izy ireo: mitsara ny raharaha mampifanolana azy aho, ary mampahafantatra azy ny fitsipik’Andriamanitra sy ny lalànany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa misy raharaha mampifanolana azy, dia tonga atỳ amiko izy ireo: mitsara ny raharaha mampifanolana azy aho, ary mampahafantatra azy ny fitsipik’Andriamanitra sy ny lalànany. Baiboly Protestanta Malagasy Raha misy manana ady izy, dia mankatỳ amiko, ka mitsara azy roa tonta aho, dia mampahalala azy ny didin’Andriamanitra sy ny lalàny. Malagasy Bible Raha misy manana ady izy, dia mankaty amiko, ka mitsara azy roa tonta aho, dia mampahalala azy ny didin'Andriamanitra sy ny lalàny. La Bible en Malgache Raha misy manana ady izy ireo dia mankaty amiko ka mitsara azy roa tonta aho ary mampahalala azy ny didin’Andriamanitra sy ny lalànany. |
dia hoy i Absalôma taminy: «Etsy ange! tsara sy marina ny raharahanao, fa ny olona hihaino anao avy amin’ny mpanjaka no tsy misy.»
Amin’ny ady rehetra entin’ny rahalahinareo monina any an-tanànany avy, ho aminareo, dia ny amin’ny momba ny fanavahana ny vonoana olona samihafa karazana sy ny hoe lalàna, didy, fandaharana, fitsipika no aoka hohazavainareo tsara ny sainy mba tsy hanaovany izay hahameloka azy amin’i Iaveh sy tsy hiharan’ny fahatezerany aminareo sy amin’ny rahalahinareo. Izany no ataovy, dia tsy ho meloka ianareo.
Raha nolaviko ny rariny ananan’ny ankizy lahy aman’ankizy vaviko, fony ireny nifamaly tamiko;
Ny ampitson’izay andro izay, nivoaka izy, ka indro fa nifanditra ny Hebrio roa lahy, ary hoy izy tamin’ilay diso hoe: «Ahoana no ikapohanao ny namanao?»
Fadio ny ady tsy marina ka aza mamono ny tsy manan-tsiny sy ny marina, fa tsy hamela ny meloka Aho.
Hoy izy tamin’ireo loholona: «Andraso eto izahay mandra-piverinay atỳ aminareo. Ary indreo i Aarôna sy i Hora eto aminareo, ka raha misy manana ady dia aoka hanatona azy ireo.»
Ary hiteny amin’ny zanak’i Israely ianao hanao hoe: Izay rehetra manozona ny Andriamaniny, dia hilonjy ny helony;
Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: Hovonoiko ho faty izany lehilahy izany, ka ny fiangonana rehetra hitora-bato azy any ivelan’ny toby.
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»
Adre! hay aminareo dia misy manana ady amin’ny namany, ka sahy mangataka fitsarana amin’ny olona tsy marina, fa tsy amin’ny olona masina!
Efa notoroako didy amam-pitsipika ianareo araka ny nandidian’i Iaveh ahy hitandremanareo izany any amin’ny tany hidiranareo hanananareo azy.
Ary niantso an’i Israely i Môizy ka nanao taminy hoe: «Henoy, ry Israely, ny didy amam-pitsipika ampandrenesiko anao anio; ianaro izany, ary araho amim-pitandremana tokoa.
Izao no lalàna sy didy amam-pitsipika nasain’i Iaveh Andriamanitrareo ampianarina anareo, mba harahinareo any amin’ny tany halehanareo mba hakanareo azy ho fanananareo;
Ary raha ny amiko, dia lavitra ahy izay hanota amin’i Iaveh ka hitsahatra ny tsy hivavaka ho anareo. Fa hatoroko anareo ny lalana tsara sy mahitsy.