Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 17:13 - Baiboly Katolika

Dia resin’i Jôsoe tamin’ny lelan-tsabatra i Amaleka sy ny olony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nandresy ny Amalekita sy ny olony tamin’ny lelan-tsabatra i Josoa.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Koa resin’i Josoa tanteraka tamin’ny lelan-tsabatra ny tafika hamalekita.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa resin’i Josoa tanteraka tamin’ny lelan-tsabatra ny tafika hamalekita.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Josoa dia nandresy ny Amalekita sy ny olony tamin’ny lelan-tsabatra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Josoa dia nandresy ny Amalekita sy ny olony tamin'ny lelan-tsabatra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nandresy ny Amalekita sy ny olony tamin’ny lelan-tsabatra i Josoa.

Jereo ny toko



Eksodosy 17:13
9 Rohy Ifampitohizana  

Nony efa vizana ny tanan’i Môizy, naka vato izy ireo, nataony teo ambaniny, dia nipetrahany, ary i Aarôna sy i Hora kosa nanohana ny tanany avy eo ankilany avy, ka tsy niketraka ny tanany mandra-pilentiky ny masoandro.


Ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Soraty izany ho fahatsiarovana amin’ny boky; ary ambarao amin’i Jôsoe fa hofoanako eo ambanin’ny lanitra ny fahatsiarovana an’i Amaleka».


haringana amin’ny lela sabatra izy, sy ho lasan-ko babo any amin’ny firenena rehetra, ary hohitsakitsahin’ny Jentily i Jerosalema mandra-pahafenon’ny andron’ny Jentily.»


Afak’i Jôsoe androtr’izay ihany koa i Makedà, ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany, ary naringany nataony anatema ny tanàna mbamin’ny manana aina rehetra tao, fa tsy nasiany niangana na dia iray aza, ary tahaka ny nanaovany ny mpanjakan’i Jerikô no nanaovany ny mpanjakan’i Makedà koa.


Natolotr’i Iaveh teo an-tanan’i Israely i Lakisa, ka tamin’ny andro faharoa dia afany, ary nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy sy ny manana aina rehetra tao, toy ny nataony tamin’i Lebnà.


Nony afany dia nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany ary ny tanàna momba azy rehetra mbamin’izay manana aina rehetra tao, tsy navelany hisy afa-nandositra akory, tahaka ny nanaovan’i Jôsoe an’i Eglôna, fa nataony anatema izy sy ny manana aina rehetra tao.


Fanafihana indray mandeha monja no nahazoan’i Jôsoe ireo mpanjaka rehetra ireo sy ny taniny rehetra, satria i Iaveh Andriamanitr’i Israely no niady ho an’i Israely.


Azon’i Jôsoe avokoa ny tanànan’ireny mpanjaka ireny, sy ny mpanjakany; nasiany tamin’ny lelan-tsabatra ireny, dia nataony anatema, araka ny didin’i Môizy, mpanompon’i Iaveh.


Tsy nahemotr’i Jôsoe ny tanany natsotrany sy ny lefona mandra-panaovany anatema ny mponina rehetra tao Haia.