Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 16:7 - Baiboly Katolika

ary ho hitanareo raha maraina ny voninahitr’i Iaveh, satria reny ny fimonomononanareo tamin’i Iaveh, fa izahay moa no inona no izahay no imonomononanareo?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ho hitanareo koa ny voninahitry NY TOMPO rahampitso maraina, fa efa reny ny fimonomononanareo tamin’NY TOMPO; fa izahay moa no inona no imonomononanareo?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary rahampitso maraina dia ho hitanareo ny voninahitr’i Jehovah, fa efa reny ny fimonomononanareo tamin’i Jehovah; fa izahay moa no inona, no imonomononanareo?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary rahampitso maraina dia ho hitanareo ny voninahitr'i Jehovah, fa efa reny ny fimonomononanareo tamin'i Jehovah; fa izahay moa no inona, no imonomononanareo?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ho hitanareo koa ny voninahitry NY TOMPO rahampitso maraina, fa efa reny ny fimonomononanareo tamin’NY TOMPO; fa izahay moa no inona no imonomononanareo?

Jereo ny toko



Eksodosy 16:7
17 Rohy Ifampitohizana  

Mbola miteny amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra eo i Aarôna, no nitodika ny efitra ireo, ka indro niseho teo amin’ny rahona ny voninahitr’i Iaveh.


«Reko ny fimonomononan’ny zanak’i Israely, ka lazao izy ireo hoe: Amin’ny àty takariva ianareo dia hihinan-kena; ary raha maraina koa dia hivoky mofo, ka ho fantatrareo fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.»


Hoy koa i Môizy: «Ho hitanareo izany amin’ny hanomezan’i Iaveh anareo hena hohanina anio hariva, ary mofo hahavoky raha maraina, satria ren’i Iaveh ny nimonomononanareo taminy. Fa ny aminay, izahay moa no inona? Tsy izahay no iharan’ny fimonomononanareo fa i Iaveh ihany.»


ary nahita ny Andriamanitr’i Israely izy ireo: teo ambanin’ny tongony dia nisy toa zavatra voavoatra natao tamin’ny safira mamirapiratra, zavatra mangarangarana toy ny lanitra.


Nipetraka teo an-tendrombohitra Sinaia ny voninahitr’i Iaveh ka saron’ny rahona io nandritra ny henemana. Tamin’ny andro fahafito dia nantsoin’i Iaveh i Môizy, tao anatin’ny rahona.


Tamin’izay ny rahona nanarona ny trano lay fihaonana; ary ny voninahitr’i Iaveh nameno ny Fonenana.


ary hamony tahaka ny narsisa; hirakotra voninkazo sy hientan-kafaliana ary hanao hoby firavoravoana izy. Homena azy ny voninahitr’i Libàna mbamin’ny hakanton’i Karmely sy i Sarôna. Izy ireo hahita ny voninahitr’i Iaveh, sy ny famirapiratan’ny Andriamanitsika.


Dia hiseho ny voninahitr’i Iaveh, ka ho hitan’ny nofo rehetra tsy an-kavanavaka fa ny vavan’i Iaveh no efa niteny.»


Ary hoy i Môizy: «Ataovy izay nandidian’i Iaveh anareo, ka hiseho aminareo ny voninahitr’i Iaveh.»


Raha ilay niteniteny ny hitora-bato an’ireo iny ny fiangonana rehetra dia indro ny voninahitr’i Iaveh niseho teo amin’ny trano lay fihaonana, teo imason’ny zanak’i Israely rehetra.


«Mandra-pahoviana no handeferako ity fiangonana ratsy mimonomonona amiko ity? Reko ny fimonomononana ataon’ny zanak’i Israely amiko.


Izany no hiraisanareo tetika hiodina amin’i Iaveh, ianao sy ny tarikao rehetra! Ary i Aarôna moa no inona, no izy no imonomononanareo?»


Fahatsiarovana ho an’ny zanak’i Israely izany, mba tsy hisy olon-kafa, tsy anisan’ny taranak’i Aarôna handroso hanatitra zava-manitra eo anatrehan’i Iaveh, ka dia ho tahaka an’i Kôre sy ny tariny, araka izay nolazain’i Iaveh taminy, tamin’ny alalan’i Môizy.


Nony ren’i Jesoa izany dia hoy Izy: «Aretina tsy ho fahafatesana ity, fa ho voninahitr’Andriamanitra, sy hahazoan’ny Zanak’Andriamanitra voninahitra.»


Ary hoy i Jesoa taminy: «Tsy efa voalazako taminao va fa raha mino ianao, dia hahita ny voninahitr’Andriamanitra?»