Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 16:23 - Baiboly Katolika

«Izany no nasain’i Iaveh atao, andro fitsaharana rahampitso, andro sabata, voatokana ho an’i Iaveh; ka endaso amin’ny lafaoro izay hendasinareo, andrahoy izay handrahoinareo, ary tahirizo ny sisa rehetra, avelao ho ampitso maraina».

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hoy i Mosesy tamin’ireo: Izao no lazain’NY TOMPO: Tena andro fitsaharana masina ho an’NY TOMPO rahampitso; koa manendasa izay hendasinareo ary mahandroa izay hahandroinareo, nefa izay sisa rehetra dia avelao hotahirizina ho tra-maraina.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

ka hoy i Mosesy hoe: –Izany indrindra no nandidian’ny TOMPO anareo. Rahampitso dia sabata, andro fitsaharana voatokana ho an’ny TOMPO; koa andrahoy izay tokony handrahoina, ary ampangotrahy izay tokony hampangotrahina, fa ny ambiny kosa dia tehirizo ho tra-maraina.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ka hoy i Mosesy hoe: –Izany indrindra no nandidian’ny TOMPO anareo. Rahampitso dia sabata, andro fitsaharana voatokana ho an’ny TOMPO; koa andrahoy izay tokony handrahoina, ary ampangotrahy izay tokony hampangotrahina, fa ny ambiny kosa dia tehirizo ho tra-maraina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Mosesy taminy: Izao no lazain’i Jehovah: Rahampitso dia tena andro fitsaharana masina ho an’i Jehovah; koa manendasa izay hendasinareo, ary mahandroa izay handrahoinareo, ary izay sisa rehetra dia avelao ho anareo, hotehirizina ho tra-maraina.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Mosesy taminy: Izao no lazain'i Jehovah: Rahampitso dia tena andro fitsaharana masina ho an'i Jehovah; koa manendasa izay hendasinareo, ary mahandroa izay handrahoinareo, ary izay sisa rehetra dia avelao ho anareo, hotehirizina ho tra-maraina.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hoy i Mosesy tamin’ireo: Izao no lazain’NY TOMPO: Tena andro fitsaharana masina ho an’NY TOMPO rahampitso; koa manendasa izay hendasinareo ary mahandroa izay hahandroinareo, nefa izay sisa rehetra dia avelao hotahirizina ho tra-maraina.

Jereo ny toko



Eksodosy 16:23
16 Rohy Ifampitohizana  

Nidina tany an-tendrombohitra Sinaia Ianao, ka niteny tamin’izy ireo, avy any ambonin’ny lanitra, ary nanome azy fitsipika mahitsy, lalàm-pahamarinana, lalàna aman-didy lavorary.


Nampahalalainao ny sabatanao masina izy, ary nomenao didy, fitsipika aman-dalàna hotandremana izy, tamin’ny alalan’i Môizy mpanomponao.


Nilazan’i Môizy izy ireo nataony hoe: «Aza misy mamela ho tra-maraina».


«Mandritra ny henemana no hanaovanao ny asanao, fa amin’ny andro fahafito mitsahara, mba hiala sasatra ny omby aman’ampondranao, sy haka aina ny zanaky ny ankizivavinao sy ny vahiny.


Ny andro enina no hiasana fa ny andro fahafito ho andro fitsaharana amin’ny asa rehetra, dia voatokana ho an’i Iaveh. Koa na zovy na zovy no hanao asa amin’ny andro sabata dia hoheloin-ko faty.


Aza mamoaka entana avy ao an-tranonareo, amin’ny andro sabata, ary aza manao taozavatra akory; hamasino ny andro sabata, araka ny efa nandidiako ny razanareo.»


«Andro enina no hiasana, fa ny andro fahafito dia sabata, fitsaharana amin’ny asa rehetra, hasiana fivoriana masina. Tsy hanao asa na inona na inona ianareo, fa fitsaharana voatokana ho an’i Iaveh io, any amin’izay tany rehetra honenanareo.»


Nitovy amin’ny voan-koriandao ny mana, toy ny bdeliôma ny tarehiny.


Nihahaka nanangona azy ny vahoaka, dia nanorotoro azy tamin’ny vato fitotoam-bary, na nitoto azy tamin’ny laona, dia nahandro azy tamin’ny vilany sy nanao mofo aminy. Sahala amin’ny mofomamy misy diloilo ny tsirony.


Rehefa niverina avy any izy ireo, dia namboatra zava-manitra sy menaka manitra; fa nony sabata ny andro vao nitsahatra araka ny Lalàna izy.


«Mitandrema ny andro sabata, mba hankamasina azy, araka ny nandidian’i Iaveh Andriamanitrao anao.


Notsindrian’ny Fanahy tamin’ny andron’ny Tompo aho, ka nandre feo mahery tao ivohoko, toy ny feon-trômpetra,