Aza ambaranareo any Geta izany, na torinareo any amin’ny araben’i Askalôna, fandrao mifaly amin’izany ny zanaka vavin’i Filistinina, fandrao mibita-kafaliana ny zanaka vavin’ny tsy mifora.
Eksodosy 15:21 - Baiboly Katolika Ka izao no navalin’i Maria ny zanak’i Israely: «Mihirà ho an’i Iaveh fa efa naneho ny voninahiny Izy. Navariny any an-dranomasina ny soavaly ama-mpitaingina azy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary namaly azy ireo i Miriama hoe: Mihirà ho an’NY TOMPO fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy dia nariany ao amin’ny ranomasina. DIEM PROTESTANTA Ary niventy hira ho azy ireo i Miriama manao hoe: Mihirà ho fanomezam-boninahitra ny TOMPO: fandresena miezinezina no azony, natsipiny any an-dranomasina ny soavaly sy ny mpitaingina azy! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary niventy hira ho azy ireo i Miriama manao hoe: Mihirà ho fanomezam-boninahitra ny TOMPO: fandresena miezinezina no azony, natsipiny any an-dranomasina ny soavaly sy ny mpitaingina azy! Baiboly Protestanta Malagasy Ary Miriama namaly ireo lehilahy ireo ka nihira hoe: Mihirà ho an’i Jehovah, fa avo indrindra Izy; Ny soavaly sy ny mpitaingina azy nariany ao amin’ny ranomasina. Malagasy Bible Ary Miriama namaly ireo lehilahy ireo ka nihira hoe: Mihira ho an'i Jehovah, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy nariany ao amin'ny ranomasina. La Bible en Malgache Ary namaly azy ireo i Miriama hoe: Mihirà ho an’NY TOMPO fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy dia nariany ao amin’ny ranomasina. |
Aza ambaranareo any Geta izany, na torinareo any amin’ny araben’i Askalôna, fandrao mifaly amin’izany ny zanaka vavin’i Filistinina, fandrao mibita-kafaliana ny zanaka vavin’ny tsy mifora.
Nitsinjaka araka izay tratry ny ainy i Davida teo anatrehan’i Iaveh, ary nisikina efôda rongony madinika i Davida.
nony niray feo hankalaza sy hidera an’i Iaveh ireo nitsoka ny trômpetra sy ireo nihira, ka nampaneno ny feon’ny trômpetra aman-kipantsona mbamin’ny zava-maneno ka nankalaza an’i Iaveh amin’ny teny hoe: «Fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony», tamin’izay dia tonga feno rahona anankiray ny trano, dia ny tranon’i Iaveh.
Voababo ireo malaza be herim-po; renoky ny torimasony izy ireo, tsy nahay nampiasa ny tanany ireo olo-mahery.
Tamin’izany i Môizy sy ny zanak’i Israely nanao izao hira izao tamin’i Iaveh. Hoy izy: «Hihira ho an’i Iaveh aho, fa efa naneho ny voninahiny izy; Nariany any an-dranomasina ny soavaly ama-mpitaingina azy.
Ny kalesy aman-tafik’i Faraôna navariny an-dranomasina; Ny kapiteny voafantina natelin’ny Ranomasina Mena;
Nihira toa hira vaovao izy ireo, teo anoloan’ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina efatra ary teo anatrehan’ireo Anti-dahy; ka tsy nisy nahazo nanao izany hira izany, afa-tsy izy 144.000 ireo, izay navotana ho afaka amin’ny tany.
Ny hiran’i Môizy mpanompon’Andriamanitra sy ny hiran’ny Zanak’ondry no nohirain’izy ireo, ka hoy izy: «Lehibe sy mahagaga ny asanao, ry Tompo, Andriamanitra tsitoha! Marina sy mahitsy ny lalànao, ry Mpanjakan’ny taona mandrakizay!
Ary nanao hira vaovao izy ireo nanao hoe: «Ianao no mendrika handray ny boky sy hamaha ny tombokaseny. Fa voavono Ianao, ka ny Ranao no nanavotanao ho an’Andriamanitra ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny, mbamin’ny fanjakana sy ny firenena rehetra.
Mihainoa, ry mpanjaka, mampandria sofina, ry mpanjaka: fa izaho dia izaho no hidera an’i Iaveh amin’ny hira, hilaza hira ho an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely aho.
Nony niditra izy ireo, tamin’ny niverenan’i Davida avy namono ilay Filistinina, dia nivoaka avy tamin’ny tanànan’i Israely rehetra ny vehivavy, nihira sy nandihy teo anoloan’i Saola mpanjaka, an-kafaliana, tamin’ny feon’ny ampongatapaka sy ny valiha.
Ka nifamaly ny vehivavy, ny mpandihy, nanao hoe: «Arivoarivo no matin’i Saola, Fa alinalina kosa, ny an’i Davida».