Ka nentiny nivoaka tamin-kafaliana ny vahoakany; ary tamin’ny hobim-pifaliana ny olom-boafidiny.
Eksodosy 14:8 - Baiboly Katolika Nohamafisin’i Iaveh ny fon’i Faraôna, mpanjakan’i Ejipta, ka nanenjika ny zanak’i Israely i Faraôna, ary tamin’ny tanana voasandratra no nivoahan’ny zanak’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary NY TOMPO nanamafy ny fon’i Farao, mpanjakan’i Ejipta, dia nanenjika ny Zanak’Israely izy, na dia tamin’ny fahafahana tanteraka aza no nivoahan’ireo. DIEM PROTESTANTA Ary ny TOMPO dia nanamafy fo ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, mba hanenjika ny Israelita izay niala tany Ejipta tamin-kalalahana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ny TOMPO dia nanamafy fo ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, mba hanenjika ny Israelita izay niala tany Ejipta tamin-kalalahana. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jehovah nanamafy ny fon’i Farao, mpanjakan’i Egypta, dia nanenjika ny Zanak’Isiraely izy, na dia tamin’ny tànana avo aza no nivoahany. Malagasy Bible Ary Jehovah nanamafy ny fon'i Farao, mpanjakan'i Egypta, dia nanenjika ny Zanak'Isiraely izy, na dia tamin'ny tanana avo aza no nivoahany. La Bible en Malgache Ary NY TOMPO nanamafy ny fon’i Farao, mpanjakan’i Ejipta, dia nanenjika ny Zanak’Israely izy, na dia tamin’ny fahafahana tanteraka aza no nivoahan’ireo. |
Ka nentiny nivoaka tamin-kafaliana ny vahoakany; ary tamin’ny hobim-pifaliana ny olom-boafidiny.
Ho toy ny famantarana mipetraka amin’ny tananao izany sy ho toy ny fehin-kandrina eo anelanelan’ny masonao, fa tamin’ny herin’ny tanany no namoahan’i Iaveh antsika tany Ejipta.› »
Fa nentin’Andriamanitra niolaka ny vahoaka nanaraka ny lalan’ny efitra mankany amin’ny Ranomasina Mena. Tamim-pilaminana tsara no niakaran’ny zanak’i Israely avy tany Ejipta.
Ary ho anao dia ho toy ny famantarana mipetraka amin’ny tananao izany sy ho toy ny fahatsiarovana tsy hiala eo anelanelan’ny masonao, mba ho eo am-bavanao ny lalàn’i Iaveh; satria tamin’ny tanany mahery no namoahan’i Iaveh anao tany Ejipta.
ary Izaho hanamafy ny fon’ny Ejiptianina hanarahany azy ireo avy eo aoriana, ary hataoko miharihary ny voninahitro eo amin’i Faraôna sy ny tafiny rehetra, mbamin’ny kalesiny ama-mpitaingin-tsoavaliny.
Ary hohamafisiko ny fon’i Faraôna ka hanenjika azy izy. Nefa hataoko miseho miharihary ny voninahitro ao amin’i Faraôna sy ny tafiny rehetra, ka ho fantatry ny Ejiptianina fa Iaveh Aho. Dia nataon’i zanak’i Israely izany.
Ny nentiny dia kalesy voafantina enin-jato, sy ny kalesy tao Ejipta rehetra, samy nisy mpifehy avy.
Hoy ny fahavalo: ‹Hanenjika ka hahatratra, Dia hizara babo aho, Ho afa-diana aho amin’ny valy fatiko. Hotsoahako ny sabatra dia haringan’ny tanako ireny.›
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Eny am-pandehanana hiverina ho any Ejipta, diniho an-tsaina ireo fahagagana rehetra napetrako eo am-pelatananao ireo; hataonao eo anatrehan’i Faraôna ireo. Fa Izaho kosa hanamafy ny fony, ka tsy havelany handeha ny vahoaka.
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Tsy ho ela akory dia ho hitanao izay hafitsoko an’i Faraôna, fa noho ny tanana mahery dia handefa ireo handeha izy; noho ny tanana mahery dia handroaka azy hiala amin’ny taniny.»
Nohamafisin’i Iaveh anefa ny fon’i Faraôna ka tsy nihaino an’i Môizy sy i Aarôna i Faraôna araka ny efa voalazan’i Iaveh tamin’i Môizy.
Izaho no Iaveh Andriamanitrareo izay namoaka anareo hiala any amin’ny tany Ejipta, mba tsy ho andevo any intsony; nanapaka ny baran’ny jioganareo Aho, dia nandefa anareo handeha misolanandrana.»
Niala tao Ramsesa tamin’ny volana voalohany izy, tamin’ny andro faha-15n’ny volana voalohany. Ny ampitson’ny Paka dia tamin’ny tanana voasandratra no nivoahan’ny zanak’i Israely teo imason’ny Ejiptianina rehetra.
Ny Andriamanitr’izao vahoaka Israely izao no efa nifidy ny razantsika, sy nanandratra ny vahoaka fony izy nitoetra tany Ejipta; ary tamin’ny sandry mahery no nanesorany azy tao.
ka tanana mahery, sandry ahinjitra, fangorohoroana lehibe ary famantarana amam-pahagagana, no namoahan’i Iaveh antsika avy tany Ejipta.
raha tsy noho ny tahotro ny hireharehan’ny fahavalo sy ny hahadiso hevitra ny mpandrafy azy, ka hilaza hoe: Ny tanany no nahery; fa tsy i Iaveh no nanao izany rehetra izany.
Satria hevitra nokendren’i Iaveh no nanamafisan’ireo vahoaka ireo ny fony, hiady amin’i Israely mba hanaovan’i Iaveh azy ho anatema, ka tsy hanaovany famindram-po aminy fa handringanany azy, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
fa hoentiko ho ao aminao ao amin’ny ranon-driaka Sisaona i Sisarà, lehiben’ny foloalindahin’i Jabìna, mbamin’ny kalesiny sy ny antoko-miaramilany ka hatolotro eo an-tananao».