ary rehefa afaka ny telopolo sy efajato taona, iny andro iny indrindra, dia nivoaka niala tamin’ny tany Ejipta ny tafik’i Iaveh rehetra.
Eksodosy 12:50 - Baiboly Katolika Dia nataon’ny zanak’i Israely rehetra izay nandidian’i Iaveh an’i Môizy sy i Aarôna; izany no nataony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia notanterahin’ny Zanak’Israely rehetra izany. Araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy sy i Arona no nataony. DIEM PROTESTANTA Dia nanatanteraka araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy sy i Aharôna ny Israelita rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nanatanteraka araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy sy i Aharôna ny Israelita rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nataon’ny Zanak’Isiraely rehetra izany: araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy sy Arona no nataony. Malagasy Bible Dia nataon'ny Zanak'Isiraely rehetra izany: araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy sy Arona no nataony. La Bible en Malgache Dia notanterahin’ny Zanak’Israely rehetra izany. Araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy sy i Arona no nataony. |
ary rehefa afaka ny telopolo sy efajato taona, iny andro iny indrindra, dia nivoaka niala tamin’ny tany Ejipta ny tafik’i Iaveh rehetra.
Ary tamin’izany andro izany indrindra no namoahan’i Iaveh tamin’ny tany Ejipta ny zanak’i Israely voalamina isan-tokony.
Ireo no ilay Aarôna sy ilay Môizy, izay nilazan’i Iaveh hoe: «Ento mivoaka hiala amin’ny tany Ejipta ny zanak’i Israely, araka ny antokony avy.»
Tsy hihaino anareo i Faraôna, ary haninjitra ny tanako amin’i Ejipta Aho, ary fitsarana lehibe no hamoahako avy amin’ny tany Ejipta, ny tafiko, ny oloko, ny zanak’i Israely.
Nomen’i Môizy an’i Aarôna sy ny zanany izany vola avy amin’ny fanavotana izany, araka ny tenin’i Iaveh, dia araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Dia nataon’ny zanak’i Israely izany, ka navoakany any ivelan’ny toby ireny: araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy no nataon’ny zanak’i Israely.»
dia natolotro mba ho an’i Aarôna sy ny zanany mihitsy ny Levita eo amin’ny zanak’i Israely mba hanao ny fanompoan’ny zanak’i Israely ao amin’ny trano lay fihaonana, mba hanao ny fanonerana ho an’ny zanak’i Israely, mba tsy ho voan’ny loza na inona na inona ny zanak’i Israely, rehefa hanakaiky ny fitoerana masina.»
Dia nataon’i Môizy sy i Aarôna mbamin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra tamin’ny Levita, izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy momba ny Levita; izany no nataon’ny zanak’i Israely tamin’izy ireo.
raha efa izany dia niditra ny Levita nanao ny fanompoany tao amin’ny trano lay fihaonana teo anatrehan’i Aarôna sy ny zanany. Araka izay nandidian’i Iaveh an’i Môizy ny amin’ny Levita, dia araka izany no natao tamin’izy ireo.
Ka tamin’ny andro faha 14n’ny volana voalohany, tamin’ny àty takariva dia nanao ny Paka tany an’efitra Sinaia izy ireo. Notanterahin’ny zanak’i Israely avokoa izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»
Ny finoana no nialany tany Ejipta, tsy aman-tahotra ny fahatezeran’ny mpanjaka akory, fa nijoro toy ny mahita ilay tsy fahita izy.
Fa any ivelany kosa ny alika sy ny mpimasy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy, mbamin’izay rehetra tia lainga sy mpandainga.