Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 12:50 - DIEM PROTESTANTA

50 Dia nanatanteraka araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy sy i Aharôna ny Israelita rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

50 Dia notanterahin’ny Zanak’Israely rehetra izany. Araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy sy i Arona no nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

50 Dia nanatanteraka araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy sy i Aharôna ny Israelita rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

50 Dia nataon’ny zanak’i Israely rehetra izay nandidian’i Iaveh an’i Môizy sy i Aarôna; izany no nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

50 Dia nataon’ny Zanak’Isiraely rehetra izany: araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy sy Arona no nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

50 Dia nataon'ny Zanak'Isiraely rehetra izany: araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy sy Arona no nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

50 Dia notanterahin’ny Zanak’Israely rehetra izany. Araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy sy i Arona no nataony.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 12:50
21 Rohy Ifampitohizana  

Nony nifarana ny 430 taona, dia tamin’io andro io indrindra no nivoaka am-pilaminana avy tao Ejipta ny vahoakan’ny TOMPO.


«Fepetra mitovy no ampiharina amin’ny Israelita sy ny vahiny valovotaka eo amin’ny taninareo.»


Ka tamin’io andro io indrindra no navoakan’ny TOMPO tamim-pilaminana avy tany Ejipta ny Israelita.


Fa i Aharôna sy i Mosesy kosa nobaikoin’ny TOMPO hoe: «Ataovy izay hamoahanareo ny Israelita avy any Ejipta amim-pilaminana tsara.»


dia tsy hihaino anareo izy. Koa hataoko tsapan’ny Ejiptianina ny heriko, ka famaizana lehibe no hamoahako am-pilaminana tsara ny Israelita vahoakako hiala amin’ny tany Ejipta.


dia natolotr’i Mosesy an’i Aharôna sy ny zanany izany vola avotra izany, araka ny didy nampitain’ny TOMPO tamin’i Mosesy.


Dia nataon’ny zanakavavin’i Tselôfehada araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy izany,


Nankatoavin’ny Israelita izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy, ka navokany any ivelan’ny toby avokoa izay rehetra maloto.


Ary natolotro an’i Aharôna sy ny zanany ny Levita hisolo ny Israelita mba hanao ny fanompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana sy hanao ny fombam-pivavahana famelan-keloka azy ireo; dia tsy hisy loza hanjo ny Israelita intsony raha manakaiky ny Toeramasina izy ireo.»


Dia notanterahin’i Mosesy sy i Aharôna mbamin’ny Fiangonan’ny Israelita rehetra tamin’ny Levita izany; dia araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy ny amin’ny Levita no nataon’ny Israelita taminy.


Rehefa izany vao afaka nandeha nanao ny asa fanompoany tao amin’ny Tranolay fihaonana teo anatrehan’i Aharôna sy ny zanany ny Levita. Araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy momba ny Levita no natao taminy.


dia nankalaza ny Paska tany an-taniefitr’i Sinay ireo ny harivan’ny andro faha-14 tamin’ny volana voalohany. Nataon’ny Israelita araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy izany.


sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan’andro vaky mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao.


Raha azonareo izany, dia sambatra ianareo raha manao izany.


Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo:


Dia hoy ny renin’i Jesoa tamin’ireo mpanompo: –Na inona na inona lazainy aminareo dia ataovy!


Finoana no nandaozan’i Mosesy an’i Ejipta ka tsy natahorany izay hatezeran’ny mpanjaka; fa naharitra tamin’ny fanapahan-keviny izy, toy ny nahita maso an’ilay Andriamanitra tsy hita.


Fa any ivelany kosa izay manana toe-panahy maharikoriko: dia ny mpanao ody ratsy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sy mpandainga.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra