Fa betsaka tamin’ny vahoaka, maro tamin’i Efraima, i Manase, i Isakara, i Zabolôna, no dia tsy nandio tena, ka nihinana ny Paka ihany, nefa tsy nanaraka izay voasoratra. Fa dia nivavaka ho azy ireo i Ezekiasa, nanao hoe:
Eksodosy 12:43 - Baiboly Katolika Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy sy i Aarôna: «Izao no didy momba ny Paka: Ny olon-kafa firenena tsy hisy hihinana azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy sy i Arona: Izao no fitsipiky ny Paska: Tsy hisy olona hafa firenena hahazo hihinana azy. DIEM PROTESTANTA Ary hoy koa ny TOMPO tamin’i Mosesy sy i Aharôna: –Izao no fepetra momba ny fetin’ny Paska: «Tsy misy vahiny mahazo mihinana amin’ny sakafo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy koa ny TOMPO tamin’i Mosesy sy i Aharôna: –Izao no fepetra momba ny fetin’ny Paska: «Tsy misy vahiny mahazo mihinana amin’ny sakafo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona: Izao no lalàn’ny Paska: Tsy hisy olona hafa firenena hihinana azy. Malagasy Bible Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Arona: Izao no lalàn'ny Paska: Tsy hisy olona hafa firenena hihinana azy. La Bible en Malgache Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy sy i Arona: Izao no fitsipiky ny Paska: Tsy hisy olona hafa firenena hahazo hihinana azy. |
Fa betsaka tamin’ny vahoaka, maro tamin’i Efraima, i Manase, i Isakara, i Zabolôna, no dia tsy nandio tena, ka nihinana ny Paka ihany, nefa tsy nanaraka izay voasoratra. Fa dia nivavaka ho azy ireo i Ezekiasa, nanao hoe:
Ary toy izao no hihinananareo azy: ny valahana voasikina, ny tongotra voaisy kapa; ny tanana mitan-tehina, ny fihinanana azy atao faingana. Pakan’i Iaveh izany.
Raha misy vahiny mitoetra ao aminao, mba te-hanao ny Pakan’i Iaveh, dia hoforàna avokoa ny lehilahy ao an-tranony, vao manatona hanao izany izy, ka ho toy ny tompon-tany izy; fa ny tsy voafora tsy hihinana aminy.
dia ny nitondranareo ny taranaky ny hafa firenena, tsy mifora fo na mifora nofo akory, ho eo amin’ny fitoerako masina, mba handoto ny tranoko, tamin’ny nanateranareo ny anjara haniko, na ny sabora na ny ra; ka dia nivadika ny fanekeko ireo, tamin’ny fahavetavetanareo rehetra.
«Tsy hisy olon-kafa hihinana zava-masina, na ny mipetraka ao amin’ny mpisorona, na ny mpikarama, dia samy tsy hihinana ny zava-masina.
Fa raha maty vady na voasaotra tsy mbola niteraka, ny zanaka vavin’ny mpisorona, ka mody any an-tranon-drainy, toy ny fony mbola kely, dia mahazo mihinana izay fihinan-drainy; fa ny olon-kafa tsy hihinana izany.
Raha vahiny mitoetra eo aminareo no manao ny Pakan’i Iaveh dia hotandremany ny lalàna amam-pitsipika momba ny Paka. Lalàna iray ihany no ho anareo, na ho an’ny vahiny na ho an’ny tompon-tany.»
fa tamin’ny andro tany aloha ianareo, dia tsy nanana an’i Kristy, voasaraka tamin’ny fikambanan’i Israely; olon-ko azy tamin’ny fanekem-pampanantenana, tsy nanana fanantenana, ary tsy nanana an’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao.
Ary nisy olon’Andriamanitra anankiray tonga tao amin’i Helì ary nilaza taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Tsy efa niseho mazava tamin’ny ankohonan-drainao va Aho, fony izy mbola tany Ejipta tao an-tranon’i Faraôna?