Fa hotsaraiko ny firenena izay hanandevo azy, ka rehefa afaka izy ireo dia hivoaka avy any mitondra harem-be.
Eksodosy 12:32 - Baiboly Katolika Ento ny ondry mbamin’ny ombinareo, araka ny voalazanareo. Mandehana ka mba tsofy rano aho.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny ondry aman’osinareo sy ny ombinareo dia ento koa araka izay efa nolazainareo ka mandehana; ary mba tsofy rano aho! DIEM PROTESTANTA Ento avokoa ny biby fiompinareo araka ny teninareo, ka mandehana any. Ary mba tsofy rano koa aho. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ento avokoa ny biby fiompinareo araka ny teninareo, ka mandehana any. Ary mba tsofy rano koa aho. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny ondry aman-osinareo sy ny ombinareo dia ento koa araka izay efa nolazainareo, ka mandehana; fa mba tsofy rano aho. Malagasy Bible Ary ny ondry aman'osinareo sy ny ombinareo dia ento koa araka izay efa nolazainareo, ka mandehana; fa mba tsofy rano aho. La Bible en Malgache Ary ny ondry aman’osinareo sy ny ombinareo dia ento koa araka izay efa nolazainareo ka mandehana; ary mba tsofy rano aho! |
Fa hotsaraiko ny firenena izay hanandevo azy, ka rehefa afaka izy ireo dia hivoaka avy any mitondra harem-be.
Vao nandre ny tenin-drainy i Esao dia nikiaka mafy erỳ nitaraina tamin’alahelo mangidy sy nanao tamin-drainy hoe: «Mba tsofy rano aho, dia izaho koa, ry Dada ô!»
Dia hoy i Esao tamin-drainy: «Dia tsy manana afa-tsy io tso-drano io va ianao, ry dada? Tsofy rano re aho, dia izaho koa, ry dada ô! Sady nanandratra ny feony nitomany i Esao.»
mba hanaterany sorona tsara hanitra ho an’ny Andriamanitry ny lanitra, dia hivavahany ho an’ny ain’ny mpanjaka sy ny zanany.
Ary ny biby fiompinay hiaraka aminay koa, fa tsy misy havela na dia kitrony iray aza; satria amin’ireo no hangalanay hoenti-manompo an’i Iaveh Andriamanitray; ary na dia izahay aza dia mbola tsy mahalala akory izay tokony hoentinay manompo an’i Iaveh, raha tsy efa tonga any.»
Ary hoy ny navalin’i Môizy: «Hankany avokoa izahay omban’ny ankizy sy ny anti-dahy, ny zanakay lahy aman-janakay vavy, ny ondry sy ny ombinay, fa fety fankalazana an’i Iaveh izany ho anay.»
Nefa mbola nanamafy ny fony ihany indray i Faraôna tamin’izany, ka tsy nalefany handeha ny vahoaka.
Mangataha re amin’i Iaveh mba hitsahatra ny kotrok’orana sy ny havandra, fa havelako handeha ianareo; tsy hisy hitana anareo intsony tokoa.»