Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Ezra 6:10 - Baiboly Katolika

10 mba hanaterany sorona tsara hanitra ho an’ny Andriamanitry ny lanitra, dia hivavahany ho an’ny ain’ny mpanjaka sy ny zanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 mba hanolorany fanatitra ho hanitra ankasitrahana ho an’Andriamanitry ny lanitra sy mba hivavahany mba ho ela velona ny mpanjaka mbamin’ny zanany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

10 Dia afaka hanolotra sorona ho hanitra ankasitrahina ho an’Ilay Andriamanitry ny lanitra ry zareo, no hivavaka mba ho ela velona ny amperôra mbamin’ny zanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Dia afaka hanolotra sorona ho hanitra ankasitrahina ho an’Ilay Andriamanitry ny lanitra ry zareo, no hivavaka mba ho ela velona ny amperôra mbamin’ny zanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 mba hanaterany fanatitra ho hanitra ankasitrahana ho an’Andriamanitry ny lanitra sy hivavahany mba ho ela velona ny mpanjaka mbamin’ny zanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 mba hanaterany fanatitra ho hanitra ankasitrahana ho an'Andriamanitry ny lanitra sy hivavahany mba ho ela velona ny mpanjaka mbamin'ny zanany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 mba hanolorany fanatitra ho hanitra ankasitrahana ho an’Andriamanitry ny lanitra sy mba hivavahany mba ho ela velona ny mpanjaka mbamin’ny zanany.

Jereo ny toko dika mitovy




Ezra 6:10
11 Rohy Ifampitohizana  

Dia nandre hanitra mahafinaritra i Iaveh, ka i Iaveh nanao anakampo hoe: «Tsy hanozona intsony ny tany Aho noho ny olona; fa ratsy hatramin’ny fahatanorany ny fisainan’ny fon’ny olombelona; ary tsy mba hamono ny zavatra manana aina rehetra toy izay nataoko izay intsony Aho.


«Izao no lazain’i Sirosa mpanjakan’i Persa: Efa nomen’i Iaveh Andriamanitry ny lanitra ahy ny fanjakana rehetra eto an-tany, ary efa nandidy ahy Izy, hanao trano ho Azy, any Jerosalema any Jodà.


Ny zavatra ilaina hanaovana ny sorona dorana ho an’ny Andriamanitry ny lanitra, na vantotr’ombalahy, na ondralahy aman-janak’ondry, na varimbazaha, na sira, na divay aman-diloilo, araka ny fandaharana ataon’ny mpisorona ao Jerosalema, dia homena azy isan’andro tsy tapaka,


Tanteraho an-tsakany sy an-davany izay rehetra andidian’ny Andriamanitry ny lanitra, ny amin’ny momba ny tranon’ny Andriamanitry ny lanitra, mba tsy hiharan’ny fahatezerany amin’ny fanjakan’ny mpanjaka sy ny zanany.


Ento ny ondry mbamin’ny ombinareo, araka ny voalazanareo. Mandehana ka mba tsofy rano aho.»


Mikatsaha soa ho an’ny tanàna nitondrako anareo ho babo, ary mangataha amin’i Iaveh ho azy, fa soa ho anareo ny soa ho azy.


Hosasany amin’ny rano ny tsinainy aman-tongony, dia indray hatolotry ny mpisorona sy hodorany hanetona eo ambony ôtely avokoa izy rehetra. Sorona dorana izany, dia sorona atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.


Sasana amin’ny rano ny tsinainy aman-tongony, dia indray doran’ny mpisorona hanetona eo ambony ôtely avokoa izy rehetra. Sorona dorana izany, dia sorona atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.


Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy, izay nanolo-tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra