Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 12:31 - Baiboly Katolika

31 Mbola alina dia nampaka an’i Môizy sy i Aarôna i Faraôna ka nanao taminy hoe: Mandehana miala eto amin’ny vahoakako ianareo sy ny zanak’i Israely; mandehana manompo an’i Iaveh araka ny voalazanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

31 Dia nampiantso an’i Mosesy sy i Arona izy tamin’iny mbola alina iny ka niteny hoe: Mitsangàna, mialà eto amin’ny vahoakako ianareo sy ny Zanak’Israely ary mandehana ka manompoa NY TOMPO araka ny nolazainareo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

31 Koa tamin’io alina io ihany dia nampiantso an’i Mosesy sy i Aharôna ny Farao ka nanao taminy hoe: –Mandehana, mialà eto amin’ny taniko ianareo sy ny Israelita. Mandehana manao fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO araka izay efa nangatahinareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

31 Koa tamin’io alina io ihany dia nampiantso an’i Mosesy sy i Aharôna ny Farao ka nanao taminy hoe: –Mandehana, mialà eto amin’ny taniko ianareo sy ny Israelita. Mandehana manao fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO araka izay efa nangatahinareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

31 Dia nampaka an’i Mosesy sy Arona izy, raha mbola alina, ka nanao hoe: Mitsangàna, mialà eto amin’ny vahoakako hianareo sy ny Zanak’Isiraely, ary mandehana ka manompoa an’i Jehovah araka ny nolazainareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

31 Dia nampaka an'i Mosesy sy Arona izy, raha mbola alina, ka nanao hoe: Mitsangàna, mialà eto amin'ny vahoakako ianareo sy ny Zanak'Isiraely, ary mandehana ka manompoa an'i Jehovah araka ny nolazainareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

31 Dia nampiantso an’i Mosesy sy i Arona izy tamin’iny mbola alina iny ka niteny hoe: Mitsangàna, mialà eto amin’ny vahoakako ianareo sy ny Zanak’Israely ary mandehana ka manompoa NY TOMPO araka ny nolazainareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 12:31
12 Rohy Ifampitohizana  

Nifaly tamin’ny nahalasanany ny Ejiptianina, satria nahazo an’ireo ny fahatahorana an’i Israely.


«Voalazanao, hoy i Môizy, tsy hitranga atỳ anatrehanao intsony tokoa aho.»


Ary hoy ny navalin’i Môizy: «Hankany avokoa izahay omban’ny ankizy sy ny anti-dahy, ny zanakay lahy aman-janakay vavy, ny ondry sy ny ombinay, fa fety fankalazana an’i Iaveh izany ho anay.»


Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Loza iray sisa hamelezako an’i Faraôna sy i Ejipta, fa rehefa afaka izany, dia halefany hiala atỳ ianareo; ary rehefa handefa anareo tokoa izy, dia horoahiny aza ianareo hiala atỳ.


Izay ny mpanomponao rehetra etoana dia hidina hankany amiko sy hiankohoka eo anatrehako, ka hanao hoe: Mandehana any avokoa, ianao sy ny vahoaka rehetra manaraka anao. Ary izay koa Aho vao handeha.» Dia tamim-pahatezerana mirehitra no nivoahan’i Môizy avy ao amin’i Faraôna.


Nandrahoiny nataony mofo fisaka tsy voaisy lalivay ny koba nentiny avy any Ejipta, fa tsy voaisy lalivay, satria noroahina izy tany Ejipta ka tsy nahazo niatoato na naka vatsy hoentiny akory.»


Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Tsy ho ela akory dia ho hitanao izay hafitsoko an’i Faraôna, fa noho ny tanana mahery dia handefa ireo handeha izy; noho ny tanana mahery dia handroaka azy hiala amin’ny taniny.»


Ary hoy i Môizy: «Indro hivoaka ato aminao Aho, dia hangataka amin’i Iaveh, ka rahampitso ny lali-be dia hiala amin’i Faraôna sy ny mpanompony ary ny vahoakany. Fa aoka kosa i Faraôna tsy hamitaka intsony, ka tsy hamela ny vahoaka handeha hanolotra sorona amin’i Iaveh.»


Nivoaka avy ao amin’i Faraôna i Môizy sy Aarôna; ary i Môizy nitaraina tamin’i Iaveh ny amin’ny sahona namely an’i Faraôna.


Nahoana ianareo no dia hanamafy ny fonareo, toy ny nanamafisan’i Ejipta sy i Faraôna ny fony? Tsy nalefan’ireo handeha va ny zanak’i Israely, nony efa nasiany tamin’ny saziny izy ireo?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra