Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 10:8 - Baiboly Katolika

Dia nasaina niverina ho eo amin’i Faraôna i Môizy sy i Aarôna, ka hoy izy taminy: «Mandehana àry, manompoa an’i Iaveh Andriamanitrareo. Iza avy moa no tsy maintsy mankany?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nisy nampiverina an’i Mosesy sy i Arona hankao amin’i Farao indray ka hoy izy taminy: Mandehana, manompoa NY TOMPO Andriamanitrareo. Nefa iza avy moa no handeha?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Koa naverina teo amin’ny Farao indray i Mosesy sy i Aharôna ka nilazany hoe: –Mandehana manao fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO Andriamanitrareo, nefa iza sy iza avy moa no handeha aminareo?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa naverina teo amin’ny Farao indray i Mosesy sy i Aharôna ka nilazany hoe: –Mandehana manao fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO Andriamanitrareo, nefa iza sy iza avy moa no handeha aminareo?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nisy nampiverina an’i Mosesy sy Arona hankao amin’i Farao indray: ary hoy izy taminy: Mandehana, manompoa an’i Jehovah Andriamanitrareo; nefa iza avy moa no handeha?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nisy nampiverina an'i Mosesy sy Arona hankao amin'i Farao indray: ary hoy izy taminy: Mandehana, manompo an'i Jehovah Andriamanitrareo; nefa iza avy moa no handeha?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nisy nampiverina an’i Mosesy sy i Arona hankao amin’i Farao indray ka hoy izy taminy: Mandehana, manompoa NY TOMPO Andriamanitrareo. Nefa iza avy moa no handeha?

Jereo ny toko



Eksodosy 10:8
6 Rohy Ifampitohizana  

Koa nampanalain’i Faraôna faingana i Môizy sy i Aarôna nilazany hoe: «Efa nanota tamin’i Iaveh Andriamanitrareo sy taminareo aho.


Koa nampaka an’i Môizy i Faraôna nilazany hoe: «Mandehana ianareo, manompoa an’i Iaveh, ka ny ondry sy ny ombinareo ihany no hijanona; fa na dia ny zanakareo madinika aza mahazo mandeha miaraka aminareo koa.»


Mbola alina dia nampaka an’i Môizy sy i Aarôna i Faraôna ka nanao taminy hoe: Mandehana miala eto amin’ny vahoakako ianareo sy ny zanak’i Israely; mandehana manompo an’i Iaveh araka ny voalazanareo.


Ary hoy i Môizy: «Indro hivoaka ato aminao Aho, dia hangataka amin’i Iaveh, ka rahampitso ny lali-be dia hiala amin’i Faraôna sy ny mpanompony ary ny vahoakany. Fa aoka kosa i Faraôna tsy hamitaka intsony, ka tsy hamela ny vahoaka handeha hanolotra sorona amin’i Iaveh.»


Nivoaka avy ao amin’i Faraôna i Môizy sy Aarôna; ary i Môizy nitaraina tamin’i Iaveh ny amin’ny sahona namely an’i Faraôna.


Mangataha re amin’i Iaveh mba hitsahatra ny kotrok’orana sy ny havandra, fa havelako handeha ianareo; tsy hisy hitana anareo intsony tokoa.»