Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 10:24 - Baiboly Katolika

Koa nampaka an’i Môizy i Faraôna nilazany hoe: «Mandehana ianareo, manompoa an’i Iaveh, ka ny ondry sy ny ombinareo ihany no hijanona; fa na dia ny zanakareo madinika aza mahazo mandeha miaraka aminareo koa.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nampiantso an’i Mosesy indray i Farao ka niteny hoe: Mandehana ianareo, manompoa NY TOMPO; fa ny ondry aman’osinareo sy ny ombinareo ihany no aoka hajanonareo; ary ny zanakareo madinika dia aoka hiaraka aminareo koa.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Koa nampiantso an’i Mosesy ny Farao ary nanao taminy hoe: –Mandehana, manaova fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO. Mahazo mandeha miaraka aminareo koa ny ankizy, fa ny ondry aman’osy sy ny ombinareo kosa dia tsy maintsy mijanona eto.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa nampiantso an’i Mosesy ny Farao ary nanao taminy hoe: –Mandehana, manaova fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO. Mahazo mandeha miaraka aminareo koa ny ankizy, fa ny ondry aman’osy sy ny ombinareo kosa dia tsy maintsy mijanona eto.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Farao dia nampaka an’i Mosesy ka nanao hoe: Mandehana hianareo, manompoa an’i Jehovah; fa ny ondry aman-osinareo sy ny ombinareo ihany no aoka havelanareo; ary ny zanakareo madinika dia aoka hiaraka aminareo koa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Farao dia nampaka an'i Mosesy ka nanao hoe: Mandehana ianareo, manompoa an'i Jehovah; fa ny ondry aman'osinareo sy ny ombinareo ihany no aoka havelanareo; ary ny zanakareo madinika dia aoka hiaraka aminareo koa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nampiantso an’i Mosesy indray i Farao ka niteny hoe: Mandehana ianareo, manompoa NY TOMPO; fa ny ondry aman’osinareo sy ny ombinareo ihany no aoka hajanonareo; ary ny zanakareo madinika dia aoka hiaraka aminareo koa.

Jereo ny toko



Eksodosy 10:24
7 Rohy Ifampitohizana  

Tsy ho antsika va ny biby fiompiny sy ny fananany rehetra ary ny biby mpitondra entany rehetra? Nefa aoka hoekentsika aloha ny teniny ary aoka izy hiorim-ponenana eto amintsika.»


Fa hoy i Môizy: «Tsy maintsy atolotrao eo an-tananay izay hataonay sorona sy sorona dorana amin’i Iaveh Andriamanitray.


Ary hoy i Môizy: «Indro hivoaka ato aminao Aho, dia hangataka amin’i Iaveh, ka rahampitso ny lali-be dia hiala amin’i Faraôna sy ny mpanompony ary ny vahoakany. Fa aoka kosa i Faraôna tsy hamitaka intsony, ka tsy hamela ny vahoaka handeha hanolotra sorona amin’i Iaveh.»


Nefa mbola nanamafy ny fony ihany indray i Faraôna tamin’izany, ka tsy nalefany handeha ny vahoaka.


Nivoaka avy ao amin’i Faraôna i Môizy sy Aarôna; ary i Môizy nitaraina tamin’i Iaveh ny amin’ny sahona namely an’i Faraôna.


Mangataha re amin’i Iaveh mba hitsahatra ny kotrok’orana sy ny havandra, fa havelako handeha ianareo; tsy hisy hitana anareo intsony tokoa.»