Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 10:24 - DIEM PROTESTANTA

24 Koa nampiantso an’i Mosesy ny Farao ary nanao taminy hoe: –Mandehana, manaova fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO. Mahazo mandeha miaraka aminareo koa ny ankizy, fa ny ondry aman’osy sy ny ombinareo kosa dia tsy maintsy mijanona eto.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Ary nampiantso an’i Mosesy indray i Farao ka niteny hoe: Mandehana ianareo, manompoa NY TOMPO; fa ny ondry aman’osinareo sy ny ombinareo ihany no aoka hajanonareo; ary ny zanakareo madinika dia aoka hiaraka aminareo koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 Koa nampiantso an’i Mosesy ny Farao ary nanao taminy hoe: –Mandehana, manaova fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO. Mahazo mandeha miaraka aminareo koa ny ankizy, fa ny ondry aman’osy sy ny ombinareo kosa dia tsy maintsy mijanona eto.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

24 Koa nampaka an’i Môizy i Faraôna nilazany hoe: «Mandehana ianareo, manompoa an’i Iaveh, ka ny ondry sy ny ombinareo ihany no hijanona; fa na dia ny zanakareo madinika aza mahazo mandeha miaraka aminareo koa.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Ary Farao dia nampaka an’i Mosesy ka nanao hoe: Mandehana hianareo, manompoa an’i Jehovah; fa ny ondry aman-osinareo sy ny ombinareo ihany no aoka havelanareo; ary ny zanakareo madinika dia aoka hiaraka aminareo koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Ary Farao dia nampaka an'i Mosesy ka nanao hoe: Mandehana ianareo, manompoa an'i Jehovah; fa ny ondry aman'osinareo sy ny ombinareo ihany no aoka havelanareo; ary ny zanakareo madinika dia aoka hiaraka aminareo koa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

24 Ary nampiantso an’i Mosesy indray i Farao ka niteny hoe: Mandehana ianareo, manompoa NY TOMPO; fa ny ondry aman’osinareo sy ny ombinareo ihany no aoka hajanonareo; ary ny zanakareo madinika dia aoka hiaraka aminareo koa.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 10:24
7 Rohy Ifampitohizana  

Raha manaiky ny teniny isika, dia hiara-mipetraka amintsika izy ireo, ka ho lasantsika miandalana koa ny biby fiompiny sy ny fananany ary ny biby rehetra mpitondra ny entany.


Namaly azy i Mosesy hoe: –Tsia, fa ianao mihitsy no hanolotra eo an-tananay ny biby hataonay sorom-pihavanana sy sorona dorana manontolo amin’ny TOMPO Andriamanitray.


Dia hoy i Mosesy hoe: –Raha vao miala eto aminao aho, dia hangataka amin’ny TOMPO. Rahampitso ihany dia hoesoriny tsy ho eo aminao sy ny tandapanao ary ny vahoakanao ny fihitra. Fa izao kosa, aoka ianao tsy hamitaka anay intsony ka tsy handefa ny Israelita hanao sorona aminy indray.


Kanefa tamin’ity indray mandeha ity koa dia nanamafy fo ihany ny Farao ka tsy nandefa ny Israelita.


Dia niala teo anatrehan’ny Farao i Mosesy sy i Aharôna. Ary nitaraina tamin’ny TOMPO i Mosesy momba ireo sahona izay efa namelezany ny Farao;


Mangataha amin’ny TOMPO mba hitsahatra ny kotro-baratra sy ny havandra, dia halefako ianareo fa tsy hotazoniko intsony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra