Nanaraka ireo indray nisy salohim-bary fito naniry sady mahia no main’ny rivotra avy any atsinanana.
Eksodosy 10:13 - Baiboly Katolika Dia nahinjitr’i Môizy teo ambonin’ny tany Ejipta ny tehiny, ka nandefa rivotra avy any atsinanana i Iaveh hifofofofo amin’ny tany iny tontolo andro iny, sy iny tontolo alina iny. Nony maraina, indro, tongan’ny rivotra avy any atsinanana ny valala. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia natsotran’i Mosesy teo ambonin’ny tany Ejipta ny tehiny, ary NY TOMPO nampandeha rivotra avy any atsinanana hankany amin’ny tany nandritra iny andro iny sy nandritra ny alina. Nony maraina dia nitondra valala ny rivotra avy any atsinanana. DIEM PROTESTANTA Nahinjitr’i Mosesy teo ambonin’i Ejipta ny tehiny, dia nampitsoka rivotra avy any atsinanana nandritra ny andro sy nandritra ny alina tao Ejipta ny TOMPO. Nony maraina dia nitondra valala ny rivotra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nahinjitr’i Mosesy teo ambonin’i Ejipta ny tehiny, dia nampitsoka rivotra avy any atsinanana nandritra ny andro sy nandritra ny alina tao Ejipta ny TOMPO. Nony maraina dia nitondra valala ny rivotra. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nahinjitr’i Mosesy tambonin’ny tany Egypta ny tehiny, ary Jehovah nitondra rivotra avy any atsinanana hankany amin’ny tany mandritra iny andro sy iny alina iny; ary nony maraina dia nitondra ny valala ny rivotra avy any atsinanana. Malagasy Bible Dia nahinjitr'i Mosesy tambonin'ny tany Egypta ny tehiny, ary Jehovah nitondra rivotra avy any atsinanana hankany amin'ny tany mandritra iny andro sy iny alina iny; ary nony maraina dia nitondra ny valala ny rivotra avy any atsinanana. La Bible en Malgache Dia natsotran’i Mosesy teo ambonin’ny tany Ejipta ny tehiny, ary NY TOMPO nampandeha rivotra avy any atsinanana hankany amin’ny tany nandritra iny andro iny sy nandritra ny alina. Nony maraina dia nitondra valala ny rivotra avy any atsinanana. |
Nanaraka ireo indray nisy salohim-bary fito naniry sady mahia no main’ny rivotra avy any atsinanana.
afo aman-kavandra, oram-panala aman’etona, rivotra mahery izay manatanteraka ny fandaharany,
Nampifofofofo ny rivotra avy atsinanana teny an-danitra Izy, nitarika ny rivotra avy atsimo tamin’ny heriny Izy;
Natolony ho an’ny valala ny vokatry ny taniny, dia ho an’ireny andiany maro be, ny vokatry ny asany.
Nony nahinjitr’i Môizy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany dia nohemorin’i Iaveh ny ranomasina tamin’ny rivotra nifofofofo mafy avy any atsinanana nandritra ny alina, ka nataony tonga maina ny ranomasina fa nisaraka roa ny rano.
Fa i Iaveh kosa nampifofofofo ny rivo-mahery teny amin’ny ranomasina, ka nisy tafio-drivotra teny amin’ny ranomasina; ny sambo efa nila ho vaky.
Nony niposaka indray ny masoandro, nandefa rivotra mahamay avy any atsinanana i Iaveh sady nasiany masoandro ny lohan’i Jônasy, ka efa ana mihitsy izy. Nangataka ny ho faty izy ka nanao hoe: «Aleoko maty toy izay ho velona».
Ary gaga ny olona, ka nanao hoe: «Iza io Lehilahy io no manaiky Azy ny rivotra sy ny ranomasina?»