Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 1:22 - Baiboly Katolika

Ary i Faraôna nandidy ny vahoaka rehetra, nanao hoe: «Atsipazo any anaty ony ny zazalahy teraka rehetra fa ny zazavavy avelao ho velona.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nandidy ny vahoakany rehetra i Farao hoe: Ny zazalahy rehetra izay teraka dia atsipazo any amin’ny ranon’i Neily, fa ny zazavavy rehetra kosa no velomy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa ny Farao kosa dia nandidy ny vahoakany rehetra ka nanao hoe: –Atsipazo ao amin’ny ony Neily ny zazalahy hebreo rehetra raha vao teraka, fa ny zazavavy kosa avelao ho velona.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa ny Farao kosa dia nandidy ny vahoakany rehetra ka nanao hoe: –Atsipazo ao amin’ny ony Neily ny zazalahy hebreo rehetra raha vao teraka, fa ny zazavavy kosa avelao ho velona.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nandidy ny vahoakany rehetra Farao ka nanao hoe: Ny zazalahy rehetra izay teraka dia ario an’i Neily, fa ny zazavavy rehetra kosa no velomy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nandidy ny vahoakany rehetra Farao ka nanao hoe: Ny zazalahy rehetra izay teraka dia ario an'i Neily, fa ny zazavavy rehetra kosa no velomy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nandidy ny vahoakany rehetra i Farao hoe: Ny zazalahy rehetra izay teraka dia atsipazo any amin’ny ranon’i Neily, fa ny zazavavy rehetra kosa no velomy.

Jereo ny toko



Eksodosy 1:22
11 Rohy Ifampitohizana  

Nony afaka roa taona nipaka dia nanonofy i Faraôna: Indro nitsangana teo amoron’ny ony izy;


Novany ny fon’ireo, ka tonga nankahala ny vahoakany, sy nanao famadihana an’ireo mpanompony.


ka nanao tamin’ireo hoe: «Raha mampivelona ny vehivavy Hebrio ianareo ka hitanareo eo amin’ny seza roa sosona izy, raha lahy, dia vonoy, fa raha vavy kosa, dia azo avela ho velona.»


Nosokafany ity izy, ka hitany ilay zaza, zazalahy kely mitomany, dia nangoraka azy izy dia nanao hoe: «Zanaky ny Hebrio itony.»


fa mihazakazaka ho amin’ny ratsy ny tongony; ary midodododo handatsa-dra izy ireo.


Masiaka ny havinirana, miafonafona ny hatezerana, fa zovy no hahatoetra raha asian’ny fialonana?


Fa tsy matory tsy nahefa ratsy ireny; ary tsy mahita tory tsy nahalavo olona;


Nanao hafetsen-dratsy tamin’ny firenentsika izany mpanjaka izany, ka nampahory ny razantsika tamin’ny famoretana azy hanary ny zaza vao teraka, mba tsy ho velona ireny.»


Ny finoana no nanafenan-drainy aman-drenin’i Môizy azy telo volana, nony efa teraka izy, satria hitany fa zaza tsara tarehy izy, ary tsy natahorany ny didin’ny mpanjaka.