Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Apokalipsy 1:12 - Baiboly Katolika

Dia niherika nankany amin’ilay feo niteny tamiko aho, ka nony tafatodika dia nahita fanaovan-jiro, maro rantsana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nitodika aho mba hizaha ilay feo niteny tamiko. Koa rehefa nitodika aho dia nahita fitoeran-jiro volamena fito,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nitodika aho hizaha izay olona niteny tamiko. Ka rehefa tafatodika aho, dia nahita fitoeranjiro volamena fito,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nitodika aho hizaha izay olona niteny tamiko. Ka rehefa tafatodika aho, dia nahita fitoeranjiro volamena fito,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nitodika aho nizaha ilay feo niteny tamiko. Koa rehefa nitodika aho, dia nahita fanaovan-jiro volamena fito;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nitodika aho nizaha ilay feo niteny tamiko. Koa rehefa nitodika aho, dia nahita fanaovan-jiro volamena fito;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nitodika aho mba hizaha ilay feo niteny tamiko. Koa rehefa nitodika aho dia nahita fitoeran-jiro volamena fito,

Jereo ny toko



Apokalipsy 1:12
11 Rohy Ifampitohizana  

Manaova lalampy hatao aminy, ataovy fito ny isany, dia hitaingina eny amin’ny rantsany ireo lalampiny ireo hanazava ny eo anoloany.


Volamena madio avokoa no nanaovany ny lalampy fito sy ny hetin-jirony, ary ny fitoeran-davenon-jirony.


Miantso mafy miteny amin’ny tanàna ny feon’i Iaveh - ary fahendrena kosa ny manaja ny Anaranao: - Mihainoa ianareo, ny tsora-kazo, mbamin’izay nandidy azy!


sy nilazany hoe: «Inona no hitanao?» Ka hoy ny navaliko azy: «Nahita aho ka inty fanaovan-jiro maro rantsana iray, tena volamena izy manontolo misy tavy eo an-tampony, mitondra lalampy fito amam-pantsona fito avy amin’ireo lalampy eo an-tampon’ny fanaovan-jiro.


Ary teo afovoan’ireo fanaovan-jiro ireo, dia nisy anankiray toy ny Zanak’olona, niakanjo akanjo rebareba, nietra fehikibo volamena teo amin’ny tratrany;


Koa soraty ny zavatra efa hitanao, sy izay ankehitriny, ary izay mbola ho avy koa any aoriana;


izao no hevitry ny kintana fito hitanao teo an-tanako ankavanana, sy ny fanaovan-jiro volamena fito: ny kintana fito moa dia ny Anjelin’ny Eglizy fito; ary ny fanaovan-jiro fito kosa dia ny Eglizy fito.»


Manorata ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Efezy: Izao no lazain’Ilay mitana ny kintana fito eo an-tanany ankavanana, sy mandeha eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito:


Taorian’izany, dia hitako fa indro nisy varavarana mivoha teny an-danitra; ary ilay feo voalohany efa reko, toy ny an’ny trômpetra, dia niteny tamiko hoe: Miakara atỳ, dia hasehoko anao ny zavatra tsy maintsy ho avy any aoriana any.