Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Amosa 2:2 - Baiboly Katolika

dia handefa ny afo ho ao amin’i Moaba Aho, ka handevona ny lapan’i Kariota izany; ary i Moaba ho faty ao anatin’ny tabataba be, sy ny akoran’ady, mbamin’ny feon-trômpetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

handefasako afo ao Moaba ka handevona ireo lapan’i Kiriota izany; ho faty ao anatin’ny tabataba i Moaba, amin’ny horakoraka sy ny fanenon’ny anjomara;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Handefasako afo ny tanin’i Môaba ka ho levon’izany koa ireo lapa ao Kiriôta; ho faty ao anatin’ny kotaba ny Môabita, ho faty ao anatin’ny akoran’ady sy ny feon-trompetra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Handefasako afo ny tanin’i Môaba ka ho levon’izany koa ireo lapa ao Kiriôta; ho faty ao anatin’ny kotaba ny Môabita, ho faty ao anatin’ny akoran’ady sy ny feon-trompetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa haterako afo ao Moaba, Ka handevona ny tranoben’i Kiriota izany; Ary Moaba ho faty amin’ny tabataba Sy amin’ny akora ary ny fanenon’ny anjomara;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa hataoko afo ao Moaba, ka handevona ny tranoben'i Kiriota izany; Ary Moaba ho faty amin'ny tabataba sy amin'ny akora ary ny fanenon'ny anjomara;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

handefasako afo ao Moaba ka handevona ireo lapan’i Kiriota izany; ho faty ao anatin’ny tabataba i Moaba, amin’ny horakoraka sy ny fanenon’ny anjomara;

Jereo ny toko



Amosa 2:2
8 Rohy Ifampitohizana  

Fa misy zaza teraka ho antsika; zazalahy nomena antsika; ka ny fanjakana napetraka eo an-tsorony; ary ny anarany atao hoe: Mpanolo-tsaina mahagaga, Andriamanitra mahery, Ray mandrakizay, Andrian’ny fiadanana,


amin’i Kariota, amin’i Bôsrà, sy amin’ny tanàna rehetra amin’ny tanin’i Moaba, na ny lavitra na ny akaiky.


Noho ny antsoantson’i Hesebona re hatrany Eleale; hatrany Jasà, dia mandefa ny antsoantsony izy ireo; hatrany Segôra ka hatrany Hôrônaima, hatrany Eglata-Selisia, fa mbamin’ny ranon’i Nemrima aza no ho tankina.


Azo i Kariota; afaka ny trano mimanda; ary ny fon’ny mpiady maherin’i Moaba amin’izany andro izany, dia toy ny fon’ny vehivavy mihetsi-jaza.


Mijanona eo amin’ny alokalok’i Hesebona ny mpandositra lany hery; kanjo misy afo mivoaka avy ao Hesebona, ary misy lelafo avy ao afovoan’i Sehôna; ka nandevona ny valahan’i Moaba, sy ny karan-dohan’ny zanaky ny fitabatabana.


Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho i Moaba sy i Seira manao hoe: «Indro ny taranak’i Jodà fa sahala amin’izao firenena rehetra izao ihany.»


hampirehitra afo ao ambonin’ny mandan’i Rahaba Aho, ka handevona ny lapany izany, eo amin’ny akoran’ady toy ny amin’ny andro iadiana, sy eo amin’ny rivo-mahery mitambolimbolina amin’ny andron’ny tafio-drivotra.


dia handefaso afo ny tranon’i Hazaely ka handevona ny lapan’i Ben-Hadada izany.