Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




3Jaona 1:1 - Baiboly Katolika

Izaho anti-dahy, mamangy an’i Gaiosy malala, izay tiako araka ny marina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izaho loholona no mamangy an’i Gaio, ilay malala, izay tiako amin’ny fahamarinana.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Avy amiko loholona ity taratasy ity. Mamangy anao aho, ry Gaio, hava-malala izay tiako marina tokoa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Avy amiko loholona ity taratasy ity. Mamangy anao aho, ry Gaio, hava-malala izay tiako marina tokoa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

IZAHO loholona mamangy an’i Gaio, ilay malala, izay tiako amin’ny fahamarinana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izaho loholona mamangy an'i Galo, ilay malala, izay tiako amin'ny fahamarinana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izaho loholona no mamangy an’i Gaio, ilay malala, izay tiako amin’ny fahamarinana.

Jereo ny toko



3Jaona 1:1
9 Rohy Ifampitohizana  

ka notanterahiny tokoa izany; i Barnabe sy i Saoly no nampitondrainy izany fanampiana izany ho any amin’ny Pretra.


Vetivety foana dia nanerana ny tanàna ny tabataba; nindaosin’ny olona i Gaiosa sy i Aristarka avy any Masedônia izay niara-dia tamin’i Paoly, ka nimaona nankany an-trano filalaovana izy rehetra.


Ary ireto no niaraka hatrany Azia: i Sôpatera zanak’i Pirosy avy any Berea, i Aristarka sy i Sekondosy avy any Tesalonika, i Gaiosy avy any Derbe, ary i Timote sy i Tisìka sy i Trôfima avy any Azia.


Manao veloma anareo i Gaiosy, ilay itoeranay, mbamin’ny Eglizy rehetra. Manao veloma anareo i Erasta, mpitahiry ny volam-panjakana eto an-tanàna, sy i Koartosy havantsika.


Misaotra an’Andriamanitra aho, fa tsy nisy nataoko Batemy ianareo, afa-tsy i Krisposy sy i Kaiosy,


Mihanta amin’ny Pretra eo aminareo aho, dia izaho izay Pretra toa azy koa, sy vavolombelon’ny fijalian’i Kristy, ary mpiombona amin’ny voninahitra izay haseho koa:


Anaka, aza tia am-bava sy amin’ny teny fotsiny, fa amin’ny asa sy amin’ny fo tokoa.


Ry malala, iriko ho toraka ny an’ny fanahinao koa ny fanambinana ny raharahanao rehetra amam-pahasalamanao.