ary ilay anjely namonjy ahy ho afaka tamin’ny loza rehetra, hitso-drano an’ireto zaza ireto. Aoka hantsoina amin’ny anarako, sy amin’ny anaran’i Abrahama sy i Isaaka razako izy; ary hitombo ho maro dia maro, eo amin’ny tany.»
2Timoty 3:11 - Baiboly Katolika ny fanenjehana sy ny fahoriana nanjò ahy, toy ny tany Antiôkia sy tany Ikonioma ary tany Listra; niaritra fanenjehana tokoa aho, fa nanafaka ahy hatrany hatrany ny Tompo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Listra. Inona no fanenjehana izay tsy niaretako! Nefa ny Tompo nahafaka ahy tamin’izany rehetra izany. DIEM PROTESTANTA ny fanenjehana ahy ary ny fijaliana nanjo ahy. Fantatrao avokoa izay nihatra tamiko tany Antiôkia, tany Ikôniôma, tany Listra, mbamin’ireo fanenjehana nianjady tamiko; kanefa dia nafahan’ny Tompo tamin’izany rehetra izany aho. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ny fanenjehana ahy ary ny fijaliana nanjo ahy. Fantatrao avokoa izay nihatra tamiko tany Antiôkia, tany Ikôniôma, tany Listra, mbamin’ireo fanenjehana nianjady tamiko; kanefa dia nafahan’ny Tompo tamin’izany rehetra izany aho. Baiboly Protestanta Malagasy ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Lystra, dia ny fanenjehana izay niaretako; ary ny Tompo nahafaka ahy tamin’izany rehetra izany. Malagasy Bible ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Lystra, dia ny fanenjehana izay niaretako; ary ny Tompo nahafaka ahy tamin'izany rehetra izany. La Bible en Malgache ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Listra. Inona no fanenjehana izay tsy niaretako! Nefa ny Tompo nahafaka ahy tamin’izany rehetra izany. |
ary ilay anjely namonjy ahy ho afaka tamin’ny loza rehetra, hitso-drano an’ireto zaza ireto. Aoka hantsoina amin’ny anarako, sy amin’ny anaran’i Abrahama sy i Isaaka razako izy; ary hitombo ho maro dia maro, eo amin’ny tany.»
Izao no tenin’ny tononkira nataon’i Davida tamin’i Iaveh tamin’ny andro namonjen’i Iaveh azy, tamin’ny tanan’ny fahavalony rehetra sy tamin’ny tanan’i Saola.
sy mampitsoaka ahy ho afaka amin’ny fahavaloko; Ianao manandratra ahy ho ambonin’izay mandrafy ahy, ary namonjy ahy tamin’ny olona mpanao an-keriny.
I Iaveh no tonga manampy sy manafaka azy; manafaka amin’ny ratsy fanahy sy mamonjy azy Izy, satria Izy no nataony fototry ny fitokiany.
Hanafaka azy aho, fa niraiki-po tamiko izy; hiaro azy aho, fa mahalala ny Anarako izy.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
Aza matahotra, ry kankana avy amin’i Jakôba, ry olom-bitsy sisa, tamin’i Israely! fa Izaho no tonga mamonjy anao - teny marin’i Iaveh - ary ilay Masin’i Israely no mpanavotra anao.
Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho; raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao.
Hiady aminao izy ireo, nefa tsy hahefa na inona na inona aminao, satria momba anao Aho, hamonjy anao Aho; - teny marin’i Iaveh.-»
Fa izy ireo kosa niala tany Perja, dia tonga tany Antiôkia any Pisidia, ary niditra tao amin’ny sinagoga izy tamin’ny andro sabata, ka nipetraka teo.
Fa feno fialonana ny Jody nony nahita izany vahoaka be izany, ka sady nanohitra ny teny nolazain’i Paoly no nanevateva azy.
Nihaino an’i Paoly nitory teny izy io, ary nibanjina azy i Paoly, ka nahita fa nino izy fa ho sitrana,
fa nanompo ny Tompo tamim-panetren-tena lehibe sy tamin-dranomaso aho, ary tamim-piaretana ny fahoriana noho ny nikendren’ny Jody ahy.
Vao mainka nitombo anefa ny fifandirana. Efa nataon’ny komandy hotetehin’ny olona teo mihitsy i Paoly, ka nasainy nidina ny miaramila haka azy an-kery teo afovoan’ny vahoaka, sy hitondra azy ho any anaty rova.
Noho ny fitahian’Andriamanitra àry no mbola velona aho mandraka ankehitriny mitory amin’ny kely sy ny lehibe, ary tsy manambara afa-tsy ny zavatra voalazan’i Môizy sy ny mpaminany rahateo ny hahatanterahany,
mba ho afaka amin’ny tsy mpino any Jerosalema aho, mba hankasitrahin’ny olo-masina any ny fanomezana hatolotro,
Fa araka ny haben’ny fijalian’i Kristy mihatra aminay no haben’ny fanalana alahelo azonay amin’ny alalan’i Kristy koa.
Ary mafy ny fanantenanay ny aminareo, satria fantatray fa toraka ny niombonanareo tamin’ny fahoriana no hiombonanareo amin’ny fanalana alahelo koa.
Izany no ifaliako amin’ny fahalemeko, amin’ny fahafaham-baraka, amin’ny fahaterena, amin’ny fanenjehana, amin’ny fahantrana, noho ny amin’i Kristy, satria ny fahalemeko no heriko.
dia satria hain’Izy Tompo ny manafaka ny olona tsara fanahy amin’ny fahoriana itsapany azy, sy ny mitahiry ho amin’ny andron’ny fitsarana ny ratsy fanahy mba hosazina,