Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Timoty 3:11 - DIEM PROTESTANTA

11 ny fanenjehana ahy ary ny fijaliana nanjo ahy. Fantatrao avokoa izay nihatra tamiko tany Antiôkia, tany Ikôniôma, tany Listra, mbamin’ireo fanenjehana nianjady tamiko; kanefa dia nafahan’ny Tompo tamin’izany rehetra izany aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Listra. Inona no fanenjehana izay tsy niaretako! Nefa ny Tompo nahafaka ahy tamin’izany rehetra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 ny fanenjehana ahy ary ny fijaliana nanjo ahy. Fantatrao avokoa izay nihatra tamiko tany Antiôkia, tany Ikôniôma, tany Listra, mbamin’ireo fanenjehana nianjady tamiko; kanefa dia nafahan’ny Tompo tamin’izany rehetra izany aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 ny fanenjehana sy ny fahoriana nanjò ahy, toy ny tany Antiôkia sy tany Ikonioma ary tany Listra; niaritra fanenjehana tokoa aho, fa nanafaka ahy hatrany hatrany ny Tompo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Lystra, dia ny fanenjehana izay niaretako; ary ny Tompo nahafaka ahy tamin’izany rehetra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Lystra, dia ny fanenjehana izay niaretako; ary ny Tompo nahafaka ahy tamin'izany rehetra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Listra. Inona no fanenjehana izay tsy niaretako! Nefa ny Tompo nahafaka ahy tamin’izany rehetra izany.

Jereo ny toko dika mitovy




2Timoty 3:11
43 Rohy Ifampitohizana  

antsoiko ilay Anjely Izay nanavotra ahy tamin’ny loza rehetra; dia hotahîny anie ireto zazalahy ireto! Ka amin’ny alalan’izy roa lahy no hahatsiarovana ny anarako mbamin’ny anaran’i Abrahama raibeko sy i Itsehàka raiko! Hitombo maro dia maro eo anivon’ilay tany anie izy!


Dia nanao izao tononkira izao ho an’ny TOMPO i Davida tamin’ny andro izay nanafahany azy tamin’ireo fahavalony rehetra, indrindra tamin’i Saoly.


TOMPO ô, afahanao amin’ny fahavaloko aho; eny, ataonao resiko ireo mpamely ahy ary tsy mahazo ahy ny mpanao an-keriny.


Fa akaikin’ny torotoro fo IZY sady mamonjy ny rera-tsaina.


Manampy sy manafaka azy ny TOMPO, manafaka azy amin’ny olon-dratsy ka mamonjy azy noho ireo mialoka aminy.


Hoy ny Tompo hoe: «Nifikitra tamiko izy, ka hovonjeko; harovako izy satria miaiky ahy ho Tompo.


Aza matahotra ianao fa miaraka aminao Aho, aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao. Mampahery anao Aho ary mamonjy anao tokoa; ny tanan-kavanako manafaka no anohanako anao.


Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Aza matahotra ianao, ry vahoaka Israely, firenen’i Jakôba, lazaina hoe mora vonoina toa kankana. Izaho TOMPO mihitsy no tonga hamonjy anao, Izaho ilay Masin’i Israely no mpanavotra anao.


Raha mamakivaky ny rano ianao, dia homba anao Aho; raha miampita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao ireny; raha mandeha eo anivon’ny afo ianao, dia tsy ho may akory fa tsy handoro anao ny lelafo.


Hiady aminao izy nefa tsy haharesy anao, fa miaraka aminao Aho mba hanafaka anao. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Mamoaka izao didy izao aho mba hangovitan’ny olona sy hatahorany eo anatrehan’ny Andriamanitr’i Daniela manerana ny fanjakako. Fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay; ny fanjakany tsy mety rava ary ny fanapahany haharitra tsisy farany.


Avy ao Perga kosa i Paoly sy i Barnabà dia nandroso ihany ka tonga tany Antiôkia any Pisidia. Ary niditra tao amin’ny sinagôga izy roa lahy tamin’ny andro sabata ka nipetraka teo.


Tonga feno fialonana ny Jiosy nony nahita ny vahoaka maro, ka sady nanohitra ny teny voalazan’i Paoly no nanevateva azy.


Tao Listra dia nisy lehilahy izay nitalapetraka foana satria malemy tongotra, kilemaina hatrany an-kibon-dreniny ka tsy mbola namindra hatrizay niainany.


Nanompo ny Tompo tamim-panetrentena fatratra aho satria nianjadian’alahelo sy fitsapana noho ny fiokoan’ny Jiosy hamely ahy.


Nihahenjana ny fifandirana ka natahotra ny komandy sao hifandroritan’ny olona i Paoly. Noho izany, dia nomeny baiko ny miaramilany hidina hanaisotra an’i Paoly teo anivon’ny mpivory sy hitondra azy any amin’ny toby.


Izaho no hanafaka anao amin’ny vahoaka Israely sy ny hafa firenena izay anirahako anao.


Fa niaro ahy Andriamanitra mandraka androany ka mbola intỳ aho eto, mba hijoro ho vavolombelona amin’ny olona rehetra na ny kely na ny lehibe. Izay nambaran’ny mpaminany sy i Mosesy fa ho avy no hany lazaiko izao:


Hasehoko azy ny mafy rehetra tsy maintsy hiaretany ho voninahitro.


Mivavaha mba hahafahako amin’ny tanan’ny tsy mpino any Jodea ary mba hankasitrahin’ny vahoakan’Andriamanitra ilay fanampiana hoentiko any Jerosalema.


Miara-mijaly be dia be amin’i Kristy izahay; ary betsaka araka izany koa ny fampaherezana azonay amin’ny alalan’i Kristy.


Ary miorina mafy ny fanantenany ny aminareo, satria fantatray fa toy ny iombonanareo fijaliana aminay no iombonanareo fampaherezana aminay koa.


Ka dia ifaliako ny fahalemena, ny fanevatevana, ny fahaterena, ny fanenjehana ary ny tebiteby, izay manjo ahy noho ny amin’i Kristy; fa rehefa malemy iny indrindra aho no mahery.


Ny ady tsara no efa vitako, tratrako ny tanjon’ny fihazakazahana, voatanako ny finoana.


Araka izany, dia hain’ny Tompo ny manala ny mpiraiki-po aminy ho afaka amin’ny fitsapana manjo azy, sy ny mitahiry ny ratsy fanahy mba hosazîna amin’ny andro fitsarana,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra