Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Timoty 3:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Eny, izay te hiaina araka ny maha mpivavaka tafaray amin’i Kristy Jesoa dia hoenjehina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Eny, izay rehetra te ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy dia henjehina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Eny, izay te hiaina araka ny maha mpivavaka tafaray amin’i Kristy Jesoa dia hoenjehina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Dia hita fa izay rehetra te ho velona araka an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa dia hoenjehina,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Eny, izay rehetra te-ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Eny, izay rehetra te-ho velona amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, izay ao amin'i Kristy Jesosy, dia henjehina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Eny, izay rehetra te ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy* Jesosy dia henjehina.

Jereo ny toko dika mitovy




2Timoty 3:12
32 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo dia hoy i Jesoa tamin’ireo mpianany: –Raha misy te hiara-dia amiko, dia aoka izy handà ny tenany ka hitondra ny hazofijaliany ary hiaraka amiko.


Noho izany, indro Aho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpahay lalàna ho atỳ aminareo; ka ny sasany amin’ireny hovonoinareo sy hohomboanareo amin’ny hazofijaliana, ary ny sasany hokapohinareo any amin’ny sinagôganareo sy hoenjehinareo isan-tanàna.


ka tsy hahazo injato henin’izany ankehitriny amin’izao etỳ izao, dia trano sy mpiray tampo sy reny sy zanaka sy tany, ombam-panenjehana ihany koa, ary hahazo ny fiaina-maharitra mandrakizay amin’ny andro ho avy.


Handroaka anareo hiala amin’ny sinagôga ry zareo; eny, ho avy ny andro hiheveran’izay rehetra mamono anareo ho manatitra mari-panajana amin’Andriamanitra.


Izany no voalazako taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amin’ny firaisana amiko. Eto amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa mahereza, fa Izaho efa naharesy izao tontolo izao!


Efa nomeko ny teninao ireo, ka ankahalain’izao tontolo izao: satria tsy naman’izao tontolo izao ireo, tahaka ny tsy maha naman’izao tontolo izao Ahy.


Nampahery fo ny mpianatra i Paoly sy i Barnabà ary nampirisika azy ireo haharitra amin’ny finoana ka nanao taminy hoe: –Fahoriana be no tsy maintsy diavintsika mba hidirana ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra!


Raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’i Kristy, dia faran’izay mahonena isika amin’ny olon-drehetra.


Izao manko no ireharehanay: ny fieritreretanay dia vavolombelona manambara fa ny fomba nitondranay tena teto amin’izao tontolo izao, indrindra teo aminareo, dia tamin’ny fahatsorana sy hitsimpo nomen’Andriamanitra; satria ny fahasoavan’Andriamanitra no nitarika anay fa tsy ny fahendren’olombelona.


enjehin’olona, nefa tsy ilaozan’Andriamanitra; azera, nefa tsy maty.


mivavaha ho an’ireo filoham-pirenena sy ny manam-pahefana rehetra, mba hiainantsika miadana sy mandry feizay ombàn’ny firaiketam-po tanteraka amin’Andriamanitra sy ny fitondrantena maotina.


Ary iaraha-miaiky fa lehibe ny tsiambaratelo nambara momba ny fivavahantsika: Niharihary ho olombelona i Kristy, nankatoavin’Andriamanitra tamin’ny herin’ny Fanahy masina ary niseho tamin’ny iraka; notorîna tany amin’ny firenena, ka ninoana eran’izao tontolo izao; nakarina any an-danitra tamim-boninahitra.


Raha misy manao fampianarana hafa, ka tsy manaiky ny teny tsy misy tomika nambaran’i Jesoa Kristy Tompontsika sy ny fampianarana mifanaraka amin’ny fivavahantsika,


Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho mpanompon’Andriamanitra sy apôstôlin’i Jesoa Kristy. Nirahina aho hampandroso ny finoan’ireo olom-boafidin’Andriamanitra ary hampahalala azy ny fampianarana marim-pototra mifanaraka amin’ny fivavahantsika,


Izany fahasoavana izany dia mitaiza antsika handà ny toetra tsy miraharaha an’Andriamanitra sy handà ny filàn’izao tontolo izao, fa ho velona mahafehy tena sy mandala ny rariny ary tia vavaka mandritra izao fiainana ankehitriny izao.


Ary nitaraina tamin’i Josoa ny taranak’i Jôsefa nanao hoe: –Nahoana no anjara iray ihany tamin’ny antsapaka no mba nomenao anay, kanefa izahay efa tonga vahoaka marobe araka izay nitahian’ny TOMPO anay?


Raha tàhiny manao ny marina aza ianareo no ampahorîna, dia sambatra. Aza matahotra izay fandrahonan’ny olona, ary aza mangorohoro amin’izany;


Koa raha ho levona toy izany àry izao rehetra izao, dia ho olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin’ny fitondrantena masina sy ny firaiketam-po amin’Andriamanitra?


Nifaoka ny ampahatelon’ny kintana eny amin’ny habakabaka ny rambon’ilay dràgona, ka nanjera ireny tamin’ny tany. Teo anatrehan’ilay vehivavy efa hiteraka no nijanonan’ity dràgona, mba handrapaka ny zanany, raha vao teraka.


Ka novaliako hoe: –Ianao, tompoko, no mahalala! Dia hoy izy tamiko: –Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe ka nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny ra nafoin’ilay Zanakondry.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra