Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Timoty 2:13 - Baiboly Katolika

raha mivadika isika, Izy tsy mivadika na oviana na oviana, fa tsy mahazo mandà ny Tenany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

fa na dia tsy mahatoky Azy aza isika dia mbola mahatoky ihany Izy satria tsy afaka handa ny tenany Izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

raha mivadika aminy isika, Izy dia mahatoky hatrany satria tsy afa-mandà ny tenany.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

raha mivadika aminy isika, Izy dia mahatoky hatrany satria tsy afa-mandà ny tenany.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny tenany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny tenany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

fa na dia tsy mahatoky Azy aza isika dia mbola mahatoky ihany Izy satria tsy afaka handa ny tenany Izy.

Jereo ny toko



2Timoty 2:13
11 Rohy Ifampitohizana  

Iaveh ô, Andriamanitro Ianao; hankalaza Anao aho, hidera ny Anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Ianao; mahatoky sy maharitra ny fikasanao vita ela.


Tsy olombelona Andriamanitra ka handainga, Na zanak’olombelona ka hanenina. Moa mba milaza fotsiny va izy fa tsy manatanteraka, Na miteny ihany fa tsy manefa?


Ny tany aman-danitra ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.


Fa ahoana kosa raha tsy nino ny sasany? Moa ny tsy finoan’ireo va hahafoana ny tsy fivadihan’Andriamanitra? Sanatria izany!


Tsy dia ny tenin’Andriamanitra tsy akory no foana; fa izay taranak’i Israely no tsy tena Israely avokoa,


Eny, mahatoky Andriamanitra Izay niantso anareo hiray amin’ny Zanany, dia i Jesoa Kristy Tompontsika.


«Koa aoka ho fantatrao àry fa i Iaveh Andriamanitrao no Andriamanitra, dia Andriamanitra tsy mivadika, fa maharitra amin’ny fanekena amam-pamindram-po, hatramin’ny taranaka faharivo amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny.


Tsy mivadika Ilay niantso anareo, ka Izy ihany koa no hanefa izany.


Dia Andriamanitra izay tsy mivadika kosa, no hankahery anareo sy hiaro anareo amin’ny ratsy.


noho ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga, talohan’ny taona rehetra,


mba ho zavatra roa tsy manam-piovana sy tsy hain’Andriamanitra amitahana antsika no hahazoantsika fanalana alahelo mahery; fa efa mihazakazaka isika hihazona ny fanantenana natolotra antsika.