Ary ankehitriny haneho hatsaram-po sy fahamarinana aminareo anie i Iaveh! Ary izaho koa hamaly soa anareo tamin’ny nanaovanareo an’izany.
2Timoty 1:16 - Baiboly Katolika Fa homen’ny Tompo famindram-po kosa anie, ry i Onesifôro mianakavy, satria mazàna no namelom-bolo ahy izy, sady tsy menatra ny gadrako, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Homen’ny Tompo famindrampo anie ny ankohonan’i Onesiforosy satria namelombelona ny fanahiko matetika sady tsy nahamenatra azy ny gadrako; DIEM PROTESTANTA Ny Tompo anie hamindra fo amin’ny ankohonan’i Ônesifôro fa namelombelona ny fanahiko matetika izy sady tsy nahamenatra azy ny figadràko! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny Tompo anie hamindra fo amin’ny ankohonan’i Ônesifôro fa namelombelona ny fanahiko matetika izy sady tsy nahamenatra azy ny figadràko! Baiboly Protestanta Malagasy Homen’ny Tompo famindrampo anie ny ankohonan’i Onesiforosy; satria namelombelona ny fanahiko matetika izy, fa tsy menatra ny gadrako; Malagasy Bible Homen'ny Tompo famindram-po anie ny ankohonan'i Onesiforosy; satria namelombelona ny fanahiko matetika izy, fa tsy menatra ny gadrako; La Bible en Malgache Homen’ny Tompo famindrampo anie ny ankohonan’i Onesiforosy satria namelombelona ny fanahiko matetika sady tsy nahamenatra azy ny gadrako; |
Ary ankehitriny haneho hatsaram-po sy fahamarinana aminareo anie i Iaveh! Ary izaho koa hamaly soa anareo tamin’ny nanaovanareo an’izany.
Tsarovy aho, noho izany, ry Andriamanitra ô; ary aza kosehina ny asa fitiavam-bavaka nataoko momba ny tranon’Andriamanitra sy amin’ny fanompoana fanao ao.
Ary nasaiko nanadio ny tenany ny Levita, sy ho avy hiambina eo am-bavahady, mba hanamasina ny andro sabata. Tsarovy noho izany koa aho, ry Andriamanitra ô, ary tsimbino araka ny haben’ny famindram-ponao aho.
«Tsarovy, ry Andriamanitro ô, ka hahazoako sitraka anie izay rehetra nataoko ho an’izany vahoaka izany.»
Koa namaly ahy araka ny fahamarinako i Iaveh, araka ny hadiovan’ny tanako teo imasony.
Hovonjeko anefa ianao amin’izany andro izany, - teny marin’i Iaveh, - fa tsy ho voatolotra ao an-tanan’ny olona atahoranao.
Dia nanatona ny Komandy, ka nisambotra azy, sy nampamatotra azy tamin’ny rojo vy roa, ary nanontany hoe: «Iza moa izy, ary inona no nataony?»
Izany no niangaviako ny mba hifankahita sy hidinika aminareo; fa noho ny fanantenan’i Israely ity, no ifatorako amin’izao rojo vy izao.»
Namelombelona ny fanahiko sy ny anareo koa izy ireo; ka mahaiza manaja ny olona toy ireny.
(izay anaovako ny raharahan’ny ambasadaoro eto am-pigadrana), dia hitory azy tsy aman-tahotra araka izay mety hataoko aho.
ary izany ihany koa no iaretako izao fijaliana ankehitriny izao; tsy menatra amin’izany anefa aho, fa fantatro Izay ninoako, ary matoky aho fa Izy no hahatahiry izay napetraka tamiko mandra-piavin’izay andro izay.
ny Tompo anie hampahita azy famindram-po amin’ny Tompo amin’izay andro izay, ary ianao no mahalala indrindra ny fanompoana rehetra nataony tamiko tany Efezy.
Koa aoka ianao tsy ho menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika, sy noho ny amiko izay mpifatotra ho Azy, fa hiara-mijaly amiko noho ny Evanjely, miankina amin’ny herin’Andriamanitra,
Eny, rahavako, aoka hifaliako ao amin’ny Tompo ianao, ka velombelomy ao amin’i Kristy ny foko.
Fa mameno hafaliana amam-panalana alahelo ahy ny fitiavanao, noho ianao efa namelombelona ny fon’ny olona masina, ry rahavana.
Fa sady nangoraka izay nifatotra ianareo no nanaiky an-kafaliana ny fandrobana ny fanananareo, satria fantatrareo fa manam-pananana tsara lavitra sy maharitra mandrakizay ianareo.
Fa tsy mba tsy marina Andriamanitra, sanatria! Ka hanadino ny asanareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho voninahitry ny Anarany, tamin’ny nanampianareo sy mbola anampianareo ny olo-masina.
Ary hoy i Nôemì tamin’ireto vinantony roa vavy: «Andeha samy mody any an-tranon-dreninareo avy ianareo. Enga anie ka hanao soa anareo i Iaveh toraky ny efa nataonareo tamin’ireo maty sy tamiko koa.