2Petera 2:13 - Baiboly Katolika izany no ho valin’ny faharatsiany. Ny mahafinaritra azy ireo dia ny fy sendra isan’andro, ka feno tsiny amam-pondro izy; ataony fifaliana ho azy ny mamitaka anareo, amin’ny fiaraha-mihinam-py aminareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary hiharan’ny tsy fahamarinana ho valin’ny tsy fahamarinany. Mahafinaritra azy ny velona vetivety amin’ny fy; feno pentimpentina sy tsiny izy ary faly mamitaka anareo raha miara-mihinana aminareo; DIEM PROTESTANTA eny, hiharan’ny ratsy izy ireo ho tambin’ny asa ratsiny. Ny heverin’ireo ho zava-mahafinaritra dia ny manao filibàna antoandrobenanahary izao; feno tsiny amam-pondro ireo fa miliba sady manodoka anareo rehefa miara-mihinana aminareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara eny, hiharan’ny ratsy izy ireo ho tambin’ny asa ratsiny. Ny heverin’ireo ho zava-mahafinaritra dia ny manao filibàna antoandrobenanahary izao; feno tsiny amam-pondro ireo fa miliba sady manodoka anareo rehefa miara-mihinana aminareo. Baiboly Protestanta Malagasy ary hiharan’ny ratsy ho valin’ny faharatsiany izy. Ataony ho zava-mahafinaritra ny velona vetivety amin’ny fy, ka be pentimpentina sy tsiny izy sady velona amin’ny fy eo amin’ny fanasam-pifankatiavany, raha miara-mihinana aminareo, Malagasy Bible ary hiharan'ny ratsy ho valin'ny faharatsiany izy. Ataony ho zava-mahafinaritra ny velona vetivety amin'ny fy, ka be pentimpentina sy tsiny izy sady velona amin'ny fy eo amin'ny fanasam-pifankatiavany, raha miara-mihinana aminareo, La Bible en Malgache ary hiharan’ny tsy fahamarinana ho valin’ny tsy fahamarinany. Mahafinaritra azy ny velona vetivety amin’ny fy; feno pentimpentina sy tsiny izy ary faly mamitaka anareo raha miara-mihinana aminareo; |
Loza ho an’ny ratsy fanahy! fa hidiran-doza izy, fa haverina aminy ny nataon’ny tanany.
Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro, tsy amin’ny fihinanam-be loatra na fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana na fijejojejoana, tsy amin’ny fifandirana na fialonana;
ka hanolotra azy ho an’ny Tenany ho Eglizy be voninahitra, tsy misy panda, na ketrona, na zavatra toy izany, fa masina tsy manan-tsiny amam-pondro.
Fahaverezana no hiafaran’ireny, fa ny kibony no andriamaniny, ny tokony hampahamenatra azy no ireharehany, ny zavatry ny tany no hany ankamamîny.
Be loatra ny ratsy nafitsok’i Aleksandra mpanefy varahina tamiko; ny Tompo no hamaly azy araka ny asany.
Nivelona teto an-tany tamin’ny hanim-py ianareo sy nanaram-batana tamin’ny fahafinaretana; namoky ny fonareo tamin’ny andro fandringanana ianareo.
Gaga izy ireo izao, fa tsy miara-manaram-po aminy amin’ny ratsy ianareo, ka manozona no ataony.
Niala tamin’ny lalan’i Balaama zanak’i Bôsôra, izay nankasitraka ny tambin’ny tsy fahamarinana,
Valio araka ny asany izy, ary ataovy avo sasaka noho izay nataony; ampisotroy amin’ny kapoaka nanomezany izy, ka omeo indroa hoatra izay nampisotroiny anareo;