Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jakoba 5:5 - Baiboly Katolika

5 Nivelona teto an-tany tamin’ny hanim-py ianareo sy nanaram-batana tamin’ny fahafinaretana; namoky ny fonareo tamin’ny andro fandringanana ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Niaina tamin’ny fiadanana tetỳ ambonin’ny tany ianareo sady nanaram-po tamin’ny fahafinaretana; nafahinareo toy ny amin’ny andro famonoana biby hohanina ny fonareo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

5 Niampoka ny soa sady niliba ianareo fahavelonareo tetỳ an-tany, ka dia efa nanatavy tena mba hajedaka amin’ny andro voatendry.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Niampoka ny soa sady niliba ianareo fahavelonareo tetỳ an-tany, ka dia efa nanatavy tena mba hajedaka amin’ny andro voatendry.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Efa velona tamin’ny fy tetỳ ambonin’ny tany hianareo sady nanaram-po tamin’ny fahafinaretana; efa namahy ny fonareo tamin’ny andro hamonoana hianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Efa velona tamin'ny fy tetỳ ambonin'ny tany ianareo sady nanaram-po tamin'ny fahafinaretana; efa namahy ny fonareo tamin'ny andro hamonoana ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Niaina tamin’ny fiadanana tetỳ ambonin’ny tany ianareo sady nanaram-po tamin’ny fahafinaretana; nafahinareo toy ny amin’ny andro famonoana biby hohanina ny fonareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Jakoba 5:5
28 Rohy Ifampitohizana  

ny tananao hanafaka amin’ny olombelona, dia amin’ny olon’izao tontolo izao izay mahazo ny anjarany amin’ny fiainana ankehitriny, izay fenoinao harena ny kibony; sy vokisanao anaka, ary mamela ho an’ny zafiny ny ambim-bavany.


Mivoaka heloka, avy ao an-kibony, miseho andro ny hevitry ny fony.


Aleo sombi-mofo maina ombam-piadanana, toy izay trano feno hena misy fifandirana.


«Tsy maintsy nanatitra sorom-pihavanana aho, ary nefaiko androany ny voadiko.


Ry zatovo, mifalia dieny mbola tanora ianao; aoka hahazo firavoravoana amin’ny fonao ianao amin’ny andron’ny fahatanoranao! Mandehana any amin’izay lalan’ny fonao, sy araka izay fijerin’ny masonao. Fantaro anefa fa izany rehetra izany dia hiantsoan’Andriamanitra anao hotsaraina.


Kanjo fety amam-piravoravoana no hita; manominda omby ny olona, mamono ondry, mivoky hena sy misotro divay, manao hoe: «Aoka hihinana sy hisotro isika, fa ho faty ihany rahampitso.»


Efa niteny i Iaveh nanao hoe: «Noho ireo zanaka vavin’i Siôna tonga mpiavonavona, mandeha misolanandrana, mianjonanjom-pijery, malako famindra, ary mampikorintsandrintsana ny masom-bola fehitongony,


Fa ankehitriny, mihainoa, ry ilay nihantahanta, izay nipetraka tsy nanana ahiahy akory, sy nilaza tao am-ponao hoe: «Izaho ity, dia izaho irery ihany! tsy ho mpitondratena na oviana na oviana aho, na hofoanana anaka!»


«Avia ianareo, hoy izy, fa haka divay aho, ary hiboboka zava-pisotro mahery isika; ary ny ampitso koa toraky ny anio ihany, dia ho andro fety lehibe dia lehibe tokoa.»


Ary Ianao, ry Iaveh, mahalala ahy, mahita ahy, sady mizaha ny toetry ny foko ny aminao. Alao hoatra ny ondry entina hovonoina ireny, ary atokàny ho amin’ny andro famonoana.


Midradradradrà, ianareo mpiandry ondry, ary mitaraìna, mihosinkosena amin’ny vovoka, ianareo lehiben’ny ondry, fa tapitra amin’ny famonoana ny andronareo; hamely anareo Aho, ka hianjera toy ny fanaka sarobidy ianareo.


Fa izao no helok’i Sôdôma rahavavinao: avonavona, fananam-be ary fianinana tsy miraikan’izy sy ny zanany vavy, sady tsy mba nitantana ny ory sy ny mahantra izy.


Ary ianao, ry zanak’olona, izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Lazao amin’ny voromanidina isan-karazany, mbamin’ny biby rehetra any an-tsaha hoe: Mivoria ianareo, ka mankanesa atỳ! Miangòna avy eny amin’ny manodidina eny, ho amin’ny sorona izay ataoko ho anareo, dia sorona lehibe any an-tendrombohitr’i Israely; hihinana nofo ianao sy hisotro ra.


Mila loza ireo mandry feizay ao Siôna, sy mitoetra matoky ao an-tendrombohitr’i Samaria; dia ireo malaza indrindra amin’ilay firenena, lohan’ny firenena, ireo izay hatonin’ny taranak’i Israely!


«Nisy mpanan-karena anankiray niakanjo jaky sy rongonim-bazaha madinika, sady nanao fihinanam-be isan’andro.


Fa hoy i Abrahama taminy: ‹Anaka, tsarovy fa tamin’ny andro niainanao ianao moa nahita soa, ary i Lazara kosa nozoim-pahoriana: koa ankehitriny kosa mba azy ny fanalana alahelo, fa anao ny fijaliana.


Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro, tsy amin’ny fihinanam-be loatra na fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana na fijejojejoana, tsy amin’ny fifandirana na fialonana;


fa izay manaram-po amin’ny fahafinaretana foana, dia toa velona, nefa maty tenany.


mpamadika, mpidaondaom-bava, mpieboebo, tia ny fahafinaretan’ny nofo mihoatra noho Andriamanitra,


izany no ho valin’ny faharatsiany. Ny mahafinaritra azy ireo dia ny fy sendra isan’andro, ka feno tsiny amam-pondro izy; ataony fifaliana ho azy ny mamitaka anareo, amin’ny fiaraha-mihinam-py aminareo.


Amin’ny sakafo iarahanareo mihinana, dia ireo no vato manafintohina, miletra tsy aman-kenatra, tsy mihevitra afa-tsy ny hamoky tena. Rahona tsy misy rano ireo, ka avoivoin’ny rivotra befahatany; hazo fararano, ka sady tsy am-boa no indroa maty sy voaongotra;


ataovy toraka ny niavonavonany sy nilibàny tamin’ny zava-mahafinaritra azy no hamafin’ny fampijaliana sy fampahoriana azy. Fa izao no hambom-pony: «Mpanjakavavy aho fa tsy mpitondratena, ka lavitra ahy raha izay fisaonana!»


Dia nody tany amin’i Nabala i Abigaila ka inty izy nanao fanasana tao an-tranony, toy ny fanasan’ny mpanjaka, ary faly ny fon’i Nabala, ary mamo loatra izy. Tsy nilaza kely na be taminy ny vavy mandra-pahazavan’ny andro.


Ary izao no lazao aminy: Ho ela velona anie ianao! Ho ao aminao anie ny fiadanana, ho ao amin’ny ankohonanao anie ny fiadanana, ho ao amin’ny zavatra rehetra anananao anie ny fiadanana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra