Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Timoty 4:14 - Baiboly Katolika

14 Be loatra ny ratsy nafitsok’i Aleksandra mpanefy varahina tamiko; ny Tompo no hamaly azy araka ny asany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 I Aleksandra, mpanefy varahina, dia nanisy ratsy ahy be loatra. Ny Tompo hamaly azy araka ny asany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

14 Raha i Aleksandra mpanefy varahina, dia betsaka ny ratsy nafitsony ahy; ny Tompo no hamely azy araka izay vitany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Raha i Aleksandra mpanefy varahina, dia betsaka ny ratsy nafitsony ahy; ny Tompo no hamely azy araka izay vitany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Aleksandro, mpanefy varahina, efa nanisy ratsy ahy be loatra; ny Tompo hamaly azy araka ny asany;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Aleksandro, mpanefy varahina, efa nanisy ratsy ahy be loatra; ny Tompo hamaly azy araka ny asany;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 I Aleksandra, mpanefy varahina, dia nanisy ratsy ahy be loatra. Ny Tompo hamaly azy araka ny asany.

Jereo ny toko dika mitovy




2Timoty 4:14
18 Rohy Ifampitohizana  

Izaho na dia efa voahosotra ho mpanjaka aza, dia malemy fanahy, fa ireo lehilahy zanak’i Sarvià ireo kosa dia lozabe tokoa noho izaho. Hovalian’i Iaveh anie izay manao ny ratsy araka ny ratsy nataony!»


Valio araka ny asany ireny, sy araka ny haratsian’ny asa nataony; valio araka ny vitan’ny tanany izy; omeo azy ny tamby tandrify azy.


Efa niteny indray mandeha Andriamanitra, na indroa, ka nahare aho: An’Andriamanitra ny fahefana.


Mahalala izany ianao, ry Iaveh! Tsarovy aho, ahio aho, ary valio izay manenjika ahy. Aza alainao eto an-tany aho, noho ny fandeferanao azy; fantaro fa noho ny aminao ihany no itondrako latsa.


Valio araka ny mendrika azy ireo izy, ry Iaveh ô! araka ny asan’ny tanany.


aza mamaly ratsy, ry malala, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no avelao hanao izany, araka ny voasoratra hoe: Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo.


dia Ilay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy:


Satria, moa tsy izao va no rariny amin’Andriamanitra: ny hamaly fahoriana an’izay mampahory anareo,


anisan’ireny i Himeneo sy i Aleksandra, izay natolotro an’i Satana, mba hofaizana tsy hiteny ratsy.


Ary ianao koa mitandrema tena tsara aminy, fa mafy izay nanoherany ny teninay izay.


Raha misy mahita ny namany manao fahotana tsy ho amin’ny fahafatesana, aoka hivavaka ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy ny fiainana, dia an’izay manota tsy ho amin’ny fahafatesana. Misy fahotana ho amin’ny fahafatesana; tsy mba ny amin’izany no ilazako hoe tokony hivavaka.


Mifalia noho ny nanjò azy ianao, ry lanitra, sy ianareo olo-masina, mbaminareo apôstôly sy mpaminany koa, fa fanomezan-drariny anareo no nanamelohan’Andriamanitra azy.


Valio araka ny asany izy, ary ataovy avo sasaka noho izay nataony; ampisotroy amin’ny kapoaka nanomezany izy, ka omeo indroa hoatra izay nampisotroiny anareo;


Ary niantso tamim-peo mahery izy ireo, nanao hoe: «Ry Tompo masina sy marina ô! rahoviana re Ianao vao hitsara sy hanadina ny ranay amin’ny mponina eny ambonin’ny tany?»


Jereo kely ange, ry ikaky, jereo ity sisin-kapaotinao eto an-tanako! Ary raha ny sisin-kapaotinao, notinapako, nefa ny tenanao tsy novonoiko, dia ekeo ary zahao fa ny fitondran-tenako tsy misy ratsy na fikomiana ary tsy nanota taminao aho. Ianao kosa manenjika ny aiko hanala azy amiko!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra