Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Timoty 4:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Raha i Aleksandra mpanefy varahina, dia betsaka ny ratsy nafitsony ahy; ny Tompo no hamely azy araka izay vitany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 I Aleksandra, mpanefy varahina, dia nanisy ratsy ahy be loatra. Ny Tompo hamaly azy araka ny asany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Raha i Aleksandra mpanefy varahina, dia betsaka ny ratsy nafitsony ahy; ny Tompo no hamely azy araka izay vitany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Be loatra ny ratsy nafitsok’i Aleksandra mpanefy varahina tamiko; ny Tompo no hamaly azy araka ny asany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Aleksandro, mpanefy varahina, efa nanisy ratsy ahy be loatra; ny Tompo hamaly azy araka ny asany;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Aleksandro, mpanefy varahina, efa nanisy ratsy ahy be loatra; ny Tompo hamaly azy araka ny asany;

Jereo ny toko dika mitovy




2Timoty 4:14
18 Rohy Ifampitohizana  

Fa izaho, na dia mpanjaka efa voahosotra aza, dia mahatsiaro ny tenako ho mbola malemy ankehitriny; ary ireo zanakalahin’i Tseroià ireo dia mahery setra loatra miohatra amiko. Ny TOMPO anie hanafay azy araka ny ratsy nataony.


Valio araka ny asany tokoa ireny sy araka ny haratsian’izay nataony; eny, valio araka izay zava-bitany izy ka ny nataony no atsingereno aminy.


Izao no tenin’Andriamanitra fandreko matetika: «Ahy ny hery!»


TOMPO ô, fantatrao tsara ny amiko. Tsarovy aho ary mirotsaha an-tsehatra hamaly faty ireo mpanenjika ahy. Aza andeferana izy, fandrao ho faty aho. Satria aoka ho fantatrao fa noho ny aminao no itondrako latsa.


TOMPO ô, araka izay nataony tamiko no hamalianao azy koa.


Aza mamaly faty, ry hava-malala, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no avelao hiasa, satria izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo.»


ka hamaliany ny tsirairay araka ny asany avy:


Satria izao no ara-drariny amin’Andriamanitra: hovaliany fahoriana ireo mpampahory anareo,


anisan’ireny ry i Himeneo sy i Aleksandra izay natolotro an’i Satàna mba ho faizina tsy hanevateva an’Andriamanitra intsony.


Mitandrema koa ianao aminy, fa notoheriny mafy tokoa ny teninay.


Raha misy mahita ny namana iray finoana manao ota tsy mahafaty, dia aoka izy hivavaka ho azy ary Andriamanitra no hanome azy fiainana: izay ny amin’ireo manao ota tsy mahafaty. Fa misy ota mahafaty, ka tsy mba ny amin’izany no ilazako hoe tokony hivavaka izy.


Mifalia amin’ny manjo an’i Babilôna ianao, ry lanitra, sy ianareo vahoakan’Andriamanitra mbamy ianareo apôstôly sy mpaminany, satria efa nitsara azy Andriamanitra ka nanome rariny anareo!


Mamalia azy araka izay nafitsony taminareo, ka ataovy avo sasaka noho izay vitany; ny tsatokaty, izay nasiany zava-pisotro mifangaro ho anareo, dia asio zava-pisotro mifangaro indroa heny ho azy;


Ary niantso tamin’ny feo mahery izy rehetra nanao hoe: «Ry Tompo masina sy marina ô, rahoviana no hotsarainao ny mponina eny ambonin’ny tany ka hovalianao ny ranay nalatsany?»


Jereo koa, ry mpanjakako ô! Eny, jereo fa ity an-tanako ity ny morontongotr’akanjonao. Koa raha nanapaka ny akanjonao fotsiny aho fa tsy namono nahafaty anao, dia aoka ho fantatrao fa tsy olon-dratsy na mpikomy aho, ary tsy mba nanota taminao! Ianao no manao haza lambo ahy sady mifofo ny aiko.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra