2Jaona 1:8 - Baiboly Katolika Tandremo àry, mba tsy hanafoana ny fisasaranay, fa mba handray valisoa tanteraka ianareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mitandrema ianareo, fandrao mahavery izay namonoanay tena, fa mba handraisanareo valim-pitia tanteraka kosa. DIEM PROTESTANTA Mitandrema tena ianareo mba tsy hahavery ny vokatr’ireo asanareo sady mba handraisanareo valisoa feno. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mitandrema tena ianareo mba tsy hahavery ny vokatr’ireo asanareo sady mba handraisanareo valisoa feno. Baiboly Protestanta Malagasy Mitandrema hianareo, fandrao mahavery izay namonoanay tena, fa mba handraisanareo valim-pitia tanteraka. Malagasy Bible Mitandrema ianareo, fandrao mahavery izay namonoanay tena, fa mba handraisanareo valim-pitia tanteraka. La Bible en Malgache Mitandrema ianareo, fandrao mahavery izay namonoanay tena, fa mba handraisanareo valim-pitia tanteraka kosa. |
«Tandremo koa ny amin’ny tenanareo, fa hotorìna amin’ny mpitsara ianareo, sy hokapohina ao amin’ny sinagoga, ary hoentina eo anatrehan’ny mpifehy sy ny mpanjaka noho ny Amiko, mba ho vavolombeloko eo aminy.
Ka hoy i Jesoa hoe: «Tandremo sao voafitaka ianareo, fa maro no ho avy hisandoka ny Anarako hanao hoe: Izaho no izy, ary efa akaiky ny andro, ka aza manaraka azy.
Izay mijinja dia mandray karama, ary mamory vokatra ho an’ny fiainana mandrakizay, mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja.
Sahala ihany ny mamboly sy ny manondraka; ary samy hovalian’Andriamanitra araka ny fisasarany avy.
Dia ho nahafantatra foana zava-mahagaga toy izany va ianareo? Ka asa raha tsy ho foana tokoa!
Ny efa azontsika anefa dia aoka hizorantsika, toraka ny efa nataontsika hatramin’izao.
Tsarovy ny andro fahiny, niaretanareo ady mafy tamim-pijaliana, nony efa nohazavaina ianareo;
Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan’Andriamanitra; aza avela hisy faka mangidy maniry, sao manakorontana sy mandoto ny maro.
Indro, avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.