2Tantara 8:5 - Baiboly Katolika Naoriny koa i Betôrôna ambony sy i Betôrôna ambany, tanàna mafy misy manda sy vavahady ary karetsaka hazo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Namboariny koa i Bety-Horona ambony sy i Bety-Horona ambany, tanàna mafy misy manda sy vavahady misy hidiny; DIEM PROTESTANTA Namboariny koa i Bety-Hôrôna ambony sy i Bety-Hôrôna ambany, izay samy tanàna mafy mimanda sady misy vavahady tsara hidy; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Namboariny koa i Bety-Hôrôna ambony sy i Bety-Hôrôna ambany, izay samy tanàna mafy mimanda sady misy vavahady tsara hidy; Baiboly Protestanta Malagasy Ary namboariny koa Beti-horona ambony sy Beti-horona ambany, tanàna mafy misy mànda sy vavahady mihidy, Malagasy Bible Ary namboariny koa Beti-horona ambony sy Beti-horona ambany, tanàna mafy misy manda sy vavahady mihidy, La Bible en Malgache Namboariny koa i Bety-Horona ambony sy i Bety-Horona ambany, tanàna mafy misy manda sy vavahady misy hidiny; |
Ny zanany vavy kosa dia i Sarà, izay nanorina an’i Betôrôna ambany sy i Betôrôna ambony ary i Ozena-Sarà.
Izao no tafika nananan’i Asà: 300.000 miaramila an-defona sy ampinga, tamin’i Jodà; 280.000, miaramila mpitana ampinga mpandefa tsipìka, tamin’i Benjamina. Lehilahy mahery avokoa ireo.
Dia nanorina an’i Tadmora tany an’efitra izy, mbamin’ireo tanàna fitahirizana rehetra any amin’ny faritanin’i Etama.
I Baalata mbamin’ny tanàna fitahirizana rehetra izay an’i Salômôna, ny tanàna rehetra ho an’ny kalesy, ny tanàna ho an’ny mpitaingin-tsoavaly, mbamin’izay rehetra tian’i Salômôna naorina tany Jerosalema sy tany Libàna ary tany amin’ny tany rehetra nanapahany.
dia nidina ao andrefana mankany amin’ny tanin’ny Jefletianina, hatramin’ny tanin’ny Betôrôna ambany ka hatrany Gazera, dia nihatra amin’ny ranomasina.
Izao no faritry ny tanin’ny taranak’i Efraima araka ny fianakaviany: ny faritry ny lovany dia izao: amin’ny atsinanana, Ataret-Adara hatrany Betôrôna ambony.