2Tantara 6:1 - Baiboly Katolika Tamin’izay dia hoy i Salômôna: «Tian’i Iaveh ny mitoetra eo amin’ny haizina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Solomona: Efa nilaza NY TOMPO fa hitoetra ao amin’ny haizim-pito Izy. DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Salômôna: «TOMPO ô, efa nilaza Ianao fa honina ao anatin’ny haizim-pito. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Salômôna: «TOMPO ô, efa nilaza Ianao fa honina ao anatin’ny haizim-pito. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy Solomona: Jehovah efa nilaza fa hitoetra ao amin’ny aizim-pito Izy. Malagasy Bible Dia hoy Solomona: Jehovah efa nilaza fa hitoetra ao amin'ny aizim-pito Izy. La Bible en Malgache Dia hoy i Solomona: Efa nilaza NY TOMPO fa hitoetra ao amin’ny haizim-pito Izy. |
Rahona aman’aloka no manodidina Azy, rariny sy hitsiny no iorenan’ny seza fiandrianany.
Dia nijanona teny lavitra teny ihany ny vahoaka, fa i Môizy no nanatona ny rahona izay nisy an’Andriamanitra.
Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Ilazao i Aarôna rahalahinao, mba tsy hiditra lalandava ao amin’ny fitoerana masina, anatin’ny efitra lamba, eo anoloan’ny fanaovam-panavotana izay eo ambonin’ny fiara, sao ho faty izy, satria miseho eo amin’ny rahona eo ambonin’ny fanaovam-panavotana Aho.
Mahari-po ela i Iaveh sady be hery ary tsy misy meloka avelany fotsiny. Tadio aman-tafio-drivotra no handehanan’i Iaveh, ary rahona no vovoka diaviny.
Dia nanatona ianareo, ka nitoetra teo ambodin’ny tendrombohitra, ary ny tendrombohitra nirehitra afo nanakatra ny tampon’ny lanitra teo afovoan’ny haizina sy rahona amana haizim-pito.
Ianareo tsy mba nanatona zavatra azo tsapaina sy mirehitra afo, sy izay rahona sy haizim-be sy kotro-baratra,