Efa napetrako tao ny fiara misy ny faneken’i Iaveh, dia ny fanekena nataon’i Iaveh tamin’ny zanak’i Israely.»
2Tantara 5:10 - Baiboly Katolika Tao anatin’ny fiara, dia tsy nisy afa-tsy ny takelaka roa napetrak’i Môizy tao, tany Horeba, fony i Iaveh nanao fanekena tamin’ny zanak’i Israely, tamin’ny nivoahany avy tany Ejipta. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsy nisy na inona na inona tao anatin’ny vata misy ny Fanekena afa-tsy ny vato fisaka roa ihany izay nataon’i Mosesy tao anatiny fony tany Horeba, tamin’NY TOMPO nanao fanekena tamin’ny Zanak’Israely, tamin’ny nivoahany avy tany Ejipta. DIEM PROTESTANTA Tsy nisy na inona na inona tao anatin’ilay Vatamasina afa-tsy ny vatofisaka roa izay napetrak’i Mosesy tao fony tany Hôreba, rehefa nanaovan’ny TOMPO fanekempihavanana ny Israelita taorian’ny nialany tany Ejipta. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy nisy na inona na inona tao anatin’ilay Vatamasina afa-tsy ny vatofisaka roa izay napetrak’i Mosesy tao fony tany Hôreba, rehefa nanaovan’ny TOMPO fanekempihavanana ny Israelita taorian’ny nialany tany Ejipta. Baiboly Protestanta Malagasy Ary tsy nisy na inona na inona tao anatin’ny fiara afa-tsy ny vato fisaka roa ihany izay nataon’i Mosesy tao anatiny fony tany Horeba, tamin’i Jehovah nanao fanekena tamin’ny Zanak’Isiraely, tamin’ny nivoahany avy tany Egypta. Malagasy Bible Ary tsy nisy na inona na inona tao anatin'ny fiara afa-tsy ny vato fisaka roa ihany izay nataon'i Mosesy tao anatiny fony tany Horeba, tamin'i Jehovah nanao fanekena tamin'ny Zanak'isiraely, tamin'ny nivoahany avy tany Egypta. La Bible en Malgache Tsy nisy na inona na inona tao anatin’ny vata misy ny Fanekena afa-tsy ny vato fisaka roa ihany izay nataon’i Mosesy tao anatiny fony tany Horeba, tamin’NY TOMPO nanao fanekena tamin’ny Zanak’Israely, tamin’ny nivoahany avy tany Ejipta. |
Efa napetrako tao ny fiara misy ny faneken’i Iaveh, dia ny fanekena nataon’i Iaveh tamin’ny zanak’i Israely.»
Koa ankehitriny, raha mihaino ny feoko ianareo, sy mitandrina ny fanekeko dia ho vahoakako manokana eo amin’ny firenena rehetra, satria Ahy ihany ny tany rehetra,
Nony tapitra niteny tamin’i Môizy i Iaveh, tany an-tendrombohitra Sinaia dia natolony azy ny takelaka roan’ny vavolombelona, takelaka vato nosoratan’ny rantsan-tanan’Andriamanitra.
Nony mby teo akaikin’ny toby izy, dia nahita ny zanak’omby sy ny dihy, ka nirehitra ny fahatezeran’i Môizy, nazerany ny takelaka teny an-tanany, sady novakivakiny teo ambodin’ny tendrombohitra.
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Manaova takelaka vato roa tahaka ireo voalohany ka hanoratako ny teny izay efa teo amin’ireo takelaka voalohany notorotoroinao.
Nalainy ny Vavolombelona, dia napetrany tao anaty fiara; nataony tamin’ny fiara ny bao, ary napetrany teo ambonin’ny fiara ny fanaovam-panavotana.
Niantso an’i Israely rehetra i Môizy, dia nilaza taminy hoe: Efa hitanareo izay nataon’i Iaveh teo imasonareo, tany amin’ny tany Ejipta, tamin’i Faraôna sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra,
ny ôtely volamena fandoroana emboka manitra, ny fiaran’ny fanekena voasarona volamena avokoa, izay nisy ny siny volamena nitoeran’ny mana, sy ny tehin’i Aarôna izay nitsimoka, ary ny vato fisaka nisy ny fanekena.