Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 5:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Tsy nisy na inona na inona tao anatin’ilay Vatamasina afa-tsy ny vatofisaka roa izay napetrak’i Mosesy tao fony tany Hôreba, rehefa nanaovan’ny TOMPO fanekempihavanana ny Israelita taorian’ny nialany tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Tsy nisy na inona na inona tao anatin’ny vata misy ny Fanekena afa-tsy ny vato fisaka roa ihany izay nataon’i Mosesy tao anatiny fony tany Horeba, tamin’NY TOMPO nanao fanekena tamin’ny Zanak’Israely, tamin’ny nivoahany avy tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Tsy nisy na inona na inona tao anatin’ilay Vatamasina afa-tsy ny vatofisaka roa izay napetrak’i Mosesy tao fony tany Hôreba, rehefa nanaovan’ny TOMPO fanekempihavanana ny Israelita taorian’ny nialany tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Tao anatin’ny fiara, dia tsy nisy afa-tsy ny takelaka roa napetrak’i Môizy tao, tany Horeba, fony i Iaveh nanao fanekena tamin’ny zanak’i Israely, tamin’ny nivoahany avy tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary tsy nisy na inona na inona tao anatin’ny fiara afa-tsy ny vato fisaka roa ihany izay nataon’i Mosesy tao anatiny fony tany Horeba, tamin’i Jehovah nanao fanekena tamin’ny Zanak’Isiraely, tamin’ny nivoahany avy tany Egypta.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary tsy nisy na inona na inona tao anatin'ny fiara afa-tsy ny vato fisaka roa ihany izay nataon'i Mosesy tao anatiny fony tany Horeba, tamin'i Jehovah nanao fanekena tamin'ny Zanak'isiraely, tamin'ny nivoahany avy tany Egypta.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Tsy nisy na inona na inona tao anatin’ny vata misy ny Fanekena afa-tsy ny vato fisaka roa ihany izay nataon’i Mosesy tao anatiny fony tany Horeba, tamin’NY TOMPO nanao fanekena tamin’ny Zanak’Israely, tamin’ny nivoahany avy tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 5:10
14 Rohy Ifampitohizana  

ary napetrako tao ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanana nataon’ny TOMPO tamin’ny Israelita.


Koa ankehitriny, raha mihaino tsara izay lazaiko ianareo ka manaja ny fanekempihavanako, dia hanjary vahoaka sarobidy manokana ho Ahy eo amin’ny firenena rehetra. Fa Ahy manko ny tany manontolo,


Rehefa vitan’Andriamanitra ny resaka nataony tamin’i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny an’i Mosesy ny vatofisaka misy ny lalàna izay nosoratan’ny rantsan-tanan’Andriamanitra.


Raha vao nanatona ny toby izy, dia hitan’i Mosesy ny sarivongana ombilahikely sy ny vahoaka nandihy. Tezitra i Mosesy, ka natsipiny ny vatofisaka teny an-tanany sady nopotipotehiny teo am-pototry ny tendrombohitra.


Nandidy an’i Mosesy ny TOMPO hoe: –Manamboara vatofisaka roa toy ny teo aloha; hosoratako amin’ireo ny teny mitovy amin’izay voasoratra tamin’ireo vatofisaka voalohany efa nopotipotehinao.


Nalain’i Mosesy ny vatofisaka misy ny didy folo ka napetrany tao amin’ny Vatamasina; dia natsofoka ny baon’ny Vatamasina sady narakotra azy ny sarony.


Novorîn’i Mosesy ny Israelita rehetra ka nilazany hoe: –Tany Ejipta dia efa hitanareo izay rehetra nataon’ny TOMPO teo imasonareo tamin’ny Farao sy ny tandapany rehetra ary ny taniny manontolo.


tao no nisy ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra ary ny vata mirakitra ny Fanekempihavanana, vata voapetaka takela-bolamena manontolo; ary tanatin’io vata io dia nisy ny siny volamena nitahirizana ny mana, ny tehin’i Aharôna izay nitsiry, ary ny vatofisaka nanoratana ny Fanekempihavanana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra