Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 4:7 - Baiboly Katolika

Nanao ny fanaovan-jiro volamena folo, araka ny voadidy momba azy izy, ka napetrany teo amin’ny tempoly: ny dimy teo amin’ny havanana, ny dimy teo amin’ny havia.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nanao ny fitoeran-jiro volamena folo araka ny marika izy dia napetrany tao amin’ny tempoly, teo amin’ny ankavanana ny dimy ary teo amin’ny ankavia ny dimy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nanao ny fitoeran-jiro volamena folo, araka ny toromarika, i Horama ka napetrany tao amin’ny Toeramasina, dimy teo amin’ny ankavanana ary dimy teo amin’ny ankavia.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nanao ny fitoeran-jiro volamena folo, araka ny toromarika, i Horama ka napetrany tao amin’ny Toeramasina, dimy teo amin’ny ankavanana ary dimy teo amin’ny ankavia.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nanao ny fanaovan-jiro volamena folo araka ny marika izy, dia napetrany tao amin’ny tempoly, dimy teo amin’ny ankavanana, ary dimy teo amin’ny ankavia.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nanao ny fanaovan-jiro volamena folo araka ny marika izy, dia napetrany tao amin'ny tempoly, dimy teo amin'ny ankavanana, ary dimy teo amin'ny ankavia.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nanao ny fitoeran-jiro volamena folo araka ny marika izy dia napetrany tao amin’ny tempoly, teo amin’ny ankavanana ny dimy ary teo amin’ny ankavia ny dimy.

Jereo ny toko



2Tantara 4:7
13 Rohy Ifampitohizana  

Ka toy izao no nandaharany ny tongotra folo: ny dimy nataony teo amin’ny ilan’ny trano ankavanana, ny dimy kosa nataony teo amin’ny ilan’ny trano ankavia; ary ny ranomasina nataony teo amin’ny ilan’ny trano ankavanana, amin’ny atsinanana somary atsimo.


ny fanaovan-jiro volamena madio, dimy teo ankavanana, ary dimy teo ankavia, teo anoloan’ny orakla, mbamin’ny voniny; ny lela fanaovan-jiro sy ny hetin-jirony volamena,


mbamin’ny marika rehetra izay efa tao an-tsainy, momba ny kianjan’ny tranon’i Iaveh sy ny efitra rehetra amin’ny manodidina, ho an’ny rakitry ny tranon’Andriamanitra sy ny rakitry ny fitoerana masina,


Ny mariky ny fanaka volamena, mbamin’ny lanjan’ny volamena hanaovana ny fanaka rehetra isan-tokom-panompoana; ny mariky ny fanaka volafotsy rehetra, mbamin’ny lanjany hanaovana ny fanaka rehetra isan-tokom-panompoana;


ny lanjan’ny fanaovan-jiro volamena mbamin’ny lalampy volamena momba azy, araka ny lanjany isam-panaovan-jiro sy isan-dalampy momba azy; ary ny lanjan’ny fanaovan-jiro volafotsy, araka ny lanjany isam-panaovan-jiro;


«Izany rehetra izany», hoy i Davida, «ny asa rehetra amin’izany marika izany, dia nampahafantarin’i Iaveh ahy, tamin’ny soratra nosoratan’ny tanany, tonga atỳ amiko.»


Ary niteny tamin’ny olona indray i Jesoa, ka nanao hoe: «Izaho no fahazavan’izao tontolo izao: izay manaraka Ahy tsy mandeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’ny fiainana.»


ireo dia sary sy tandindon’ny any an-danitra fotsiny no fanompoana ataony, araka ny natoron’Andriamanitra an’i Môizy ilay efa hanao ny tranolay iny izy hoe: «Tandremo mba ho vita araka ny ohatra naseho anao tany an-tendrombohitra ny zavatra rehetra.»


izao no hevitry ny kintana fito hitanao teo an-tanako ankavanana, sy ny fanaovan-jiro volamena fito: ny kintana fito moa dia ny Anjelin’ny Eglizy fito; ary ny fanaovan-jiro fito kosa dia ny Eglizy fito.»