Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 4:19 - Baiboly Katolika

Ary nataon’i Salômôna ny fanaka rehetra ho an’ny tranon’Andriamanitra, dia ny ôtely volamena, ny latabatra fametrahana ny mofo alahatra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nanao ny fanaka rehetra izay tao amin’ny tranon’Andriamanitra i Solomona: Ny alitara volamena sy ny latabatra fitoeran’ny mofo atao fanatitra,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nampanaovin’i Salômôna natao koa ny kojakoja volamena rehetra izay nilaina tao amin’ny tranon’Andriamanitra, dia ireto avy: ny alitara volamena, ny latabatra fametrahana ny mofo aterina ho an’Andriamanitra,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nampanaovin’i Salômôna natao koa ny kojakoja volamena rehetra izay nilaina tao amin’ny tranon’Andriamanitra, dia ireto avy: ny alitara volamena, ny latabatra fametrahana ny mofo aterina ho an’Andriamanitra,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Solomona nanao ny fanaka rehetra izay tao amin’ny tranon’Andriamanitra: ny alitara volamena sy ny latabatra fitoeran’ny mofo aseho,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Solomona nanao ny fanaka rehetra izay tao amin'ny tranon'Andriamanitra: ny alitara volamena sy ny latabatra fitoeran'ny mofo aseho,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nanao ny fanaka rehetra izay tao amin’ny tranon’Andriamanitra i Solomona: Ny alitara volamena sy ny latabatra fitoeran’ny mofo atao fanatitra,

Jereo ny toko



2Tantara 4:19
21 Rohy Ifampitohizana  

Nongoahina tao avokoa ny rakitra rehetra tao an-tranon’i Iaveh sy tao an-tranon’ny mpanjaka, ary novakina daholo ny fanaka volamena nataon’i Salômôna, mpanjakan’i Israely, tao an-tranon’i Iaveh, araka izay efa voalazan’i Iaveh rahateo.


ny lanjan’ny volamena hanaovana ny latabatry ny mofo alahatra, isan-databatra; ny volafotsy hanaovana ny latabatra volafotsy;


Fa indro aho manangana trano ho an’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitrao, izay hohamasiniko ho Azy, mba handoroana zava-manitra tsara fofona eo anatrehany, hasiana ny mofo apetraka tsy tapaka, hanolorana ny sorona dorana ny maraina sy ny hariva, sy amin’ny sabata, ny voalohan’ny volana, ny fetin’i Iaveh Andriamanitray, araka ny lalàna voadidy harahin’i Israely mandrakizay.


Nony niherina ny taona dia nasain’i Nabokodonozora mpanjaka nentina ho any Babilôna izy, mbamin’ny fanaka sarobidy tao an-tranon’i Iaveh. Ary i Sedesiasa rahalahin’i Joasina, no notendreny ho mpanjakan’i Jodà sy i Jerosalema.


Nentin’i Nabokodonozora ho any Babilôna avokoa ny fanaka teo an-tranon’i Iaveh, na ny lehibe na ny kely, ny rakitry ny tranon’i Iaveh, ny rakitry ny mpanjaka, ary ny an’ireo filohany.


Nanao latabatra folo izy, napetrany teo amin’ny tempoly: ny dimy teo amin’ny havanana, ny dimy teo amin’ny havia. Nanao kôpy volamena zato izy.


Roa taona sisa, dia haveriko amin’ity fitoerana ity ny fanaka rehetra tao an-tranon’i Iaveh, nalain’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, avy amin’ity fitoerana ity, ka nentiny ho any Babilôna.


fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy, ka nihinana ny mofo alahatra, kanefa tsy nisy nahazo nihinana izany na izy na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany?


Dia indro koa nisy Anjely anankiray hafa, nitsangana teo anoloan’ny ôtely, nitana fanembohana volamena, ary nomena emboka manitra betsaka mba hanolotra ny vavaky ny olo-masina rehetra eo ambony ôtely volamena, izay eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra:


Dia nitsoka ny trômpetra ny Anjely fahenina, dia inay nisy feo reko nivoaka avy tamin’ny zoro efatry ny ôtely volamena eo anatrehan’Andriamanitra,